AZA MBA VENDRANA IHANY

Tena ampy ny roa taona hitsarana ny havendranany.
Tsisy zavatra manjary raha ny fomba fitantanany.
Kibo ve no mila vary, vatana no sahozanina,
Dia ny amboarina ho raitra, kianja tsy hihinanan-kanina?

Tena ampy ny roa taona hitsarana ny havendranany.
Lalan’ny fitiavantena, izay hatrany no andehanany.
Izy mianakavy ihany no misaosy sy miletra,
Fa tsy misy vidiny aminy ireo olo-noana manjoretra!

Tena ampy ny roa taona hitsarana ny havendranany.
Ny orinasa malagasy no hidiany sy sakanany.
Ireo vahiny ratsy fiaina sady tia manjakazaka,
Ireny indray ankehitriny no vao mainka omeny laka!

Tena ampy ny roa taona hitsarana ny havendranany.
Tsy madio fa be tsikoko na ny tongotra na tanany.
Ka na mbola hosasana, na koa handanian-tsavony,
Dia heverina mihitsy ho tsy madion-tsasa intsony!

Tena ampy ny roa taona hitsarana ny havendranany.
Hoerahoera, fidedahana, no mozikam-panentanany.
Ny hakevohana no betsaka, miampy ny filam-boatsiary,
Fa dia taominy handihy hatramin’ny noana sy marary!

Tena ampy ny roa taona hitsarana ny havendranany.
Izao no ora sy fotoana efa tokony hiomanany.
Efa maizina daholo ny habakabaky ny hoaviny,
Ka dia ny mangoron’entana no mety ho an’ny mpianakaviny!

IRINA HO TAFITA (05-08-21)