Rina Randriamasinoro -Tsy manana olana amin’ny olom-boafidiny ny TIM

Isambilo

Vahiny no sady tompontrano no voaasa afak’omaly tao amin’ny fandaharana Miara-manonja, dia ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, tonga nizara ny vaovao rehetra mikasika ny antoko TIM sy ny zavamisy ankehitriny.

Tsy mivaky

Momba ny antoko TIM no voalohantenin’i Rina Randriamasinoro dia mikasika ny tsaho miely sy tonga hatrany anaty gazety milaza ny fivakisan’ny antoko. Iray tsy mivaky ny antoko TIM, hoy izy. Ny hazo avo halan-drivotra, ka miezaka manely tsaho ireo mpanakorontana handemena ny antoko TIM. Rehefa tsy nahita ireo solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre sy Me Hanitra Razafimanantsoa tao anaty fandaharana ireo tsy mahazaka ny fandaharana dia nanely feo fa misy fivakisana. Ny tenin’i Rina Randriamasinoro dia tsotra: tsy manana olana ny antoko TIM amin’ireo olomboafidy ao aminy ary anjaran’ireo solombavambahoaka tsirairay avy no mifandimby mitafa amin’ny vahoaka.

Redynamisation na famelomamaso

Fanombohana ny atrikasa famelomamaso ho an’ny faritra Analamanga natao tao Alasora ny zoma faha-13 jolay hoy izy. Ireo olona tonga nivory avy amin’ny distrika dia ho eny amin’ny fokontany hanao fanisana sy hanavao ny rafitra eny ifotony. Hitarina any amin’ny faritra rehetra izany asa izany. Ny tanjona dia ny fampiroboroboana sy fanairana ary famerenana ny mpikambana handray anjara feno ao anatin’ny antoko sy hiatrika ny raharampirenena.

Fikaonandoha nasionaly 23 sy 24 jolay

Ny tena antony tsy maintsy nanaovana fikaonandoha nasionaly dia ny fahatsapàna ny zavamisy eto amin’ny firenena, manoloana ny roa taona sy tapany nitondran’ireo mpitondra ity firenena ity. Fahantrana lalina mihàtra aman’aina no hita. 75% ny Malagasy no miaina ambanin’ny tahan’ny fahantrana araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky Iraisampirenena. Ny antony manaraka dia natao ikatsahana vahaolana miaraka amin’ny olompirenena rehetra tsy ankanavaka: ny RMDM, ny antoko politika, vondron’olontsotra, sendika, solontenana masoivoho vahiny, fiarahamonim-pirenena, mpitondra fivavahana,… Ny tsoa-kevitra vokatry ny fikaonandoha dia nalefa any amin’ireo mpiara-mombon’antoka na ‘partenaires techniques financiers’ (PTF), ahitàna teboka fitakiana miisa 16. Mbola haterina any amin’ny fitondram-panjakana koa. Raha bangoina tokana ny fototry ny olana dia ratsy tantana ny firenena, hoy ihany ny sekretera jeneralin’ny TIM, ka hanana ny fahaiza-manao ve ny fitondram-panjakana hanavotra ity firenena ity, na dia hita izao fa eo am-pelantanany daholo ny fahefana rehetra ? Namarana ny teniny i Rina Randriamasinoro nanafatra, fa betsaka ny asa miandry ny mpanohitra, tsy ho avela ho latsaka an-kady sy ho rendrika ny firenena, ka hijery izay fomba rehetra hanavotana azy ny fanoherana, ao anatin’izany ny antoko Tiako i Madgasikara (TIM), hoy izy.