Vehivavy TIM Analamanga – Haneho ny tanjany, hanao fivoriambe ny sabotsy izao

Helisoa

Tsy mitazana fotsiny ny loza manjo ny firenena ankehitriny ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), izay rantsana lehibe ao anatin’ny antoko Tiako i Madagasikara, fa vonona ary ho sahy hanabe voho ny antoko.

Manoloana izany dia nisy ny fidinana ifotony teny amin’ny boriborintany 6 teto Antananarivo renivohitra nanombohana ny asa nataon’ny birao mitantana vonjimaika ny vehivavy TIM Analamanga. Tsapa tao anatin’izany, fa mavitrika ireo vehivavy TIM solontena isampokotany mandrafitra ny boriboritany miisa 6, tonga namonjy ny fivoriana, satria na dia tao anatin’ny fotoana fohy aza no nanomanana izany dia tonga maro be izy ireo. Hisy ny ezaka ho an’ireo fokontany mbola tsy nahatonga solontena araka ny fanambarana, ka ao anatin’ny fotoana fohy no hanaovana izany.

Manaraka izay, ny sabotsy izao dia hisy ny fihaonambe hanasana ny vehivavy TIM rehetra eto amin’ny faritra Analamanga etsy Bel’Air Ampandrana, fotoana koa io hanehoan’ny Vehivavy TIM Analamanga ny tanjany. Ao anatin’izany no hanomezan’ireo birao politika nasionaly toromarika ho an’ny vehivavy TIM hampandrosoana ny antoko. Anio alakamisy amin’ny 2 ora tolakandro kosa ny fivoriana hanomanana ny fihaonambe ny sabotsy izao araka ny fanamarihana nataon’ny mpikarakara.

Vonona handray andraikitra amin’ny raharahampirenena ankehitriny ny Vehivavy TIM, fa tsy hijery fotsiny ny firenena miha-mikororosy fahana hatrany. Ny tanjona amin’izany dia ny hametrahana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray.