Fitondrana mamoron-javatra tsy voatsinjo lavitra

Sôh’son

Amin’ity fitondrana Rajoelina ity no sambany ahenoina ny fisiana karazana mpanohitra eo anivon’ny firenena. Amin’izay indray faritany amin’izay mahametimety azy, fa tsy araka ny zotra tokony ho izy marina sy hahasoa ny firenena. Mazava loatra, fa ny kajikajy no be ao anatin’izany, izay fomba fiasa sy fanaon’ity fitondrana ity hatramin’izay nahatongavany teo amin’ny fitondrana izay tato anatin’ny roa taona sy tapany izao.

Raha ny tsikaritra, ny fitondrana Rajoelina dia tsy mba mahay mitsinjo lavitra amin’izay hahasoa ny firenena amin’ny lafiny politika. Ohatra iray amin’izany, ny fandaniana natao letrezana ny lalampanorenana tamin’ny taona 2010. Nisehoana olana anefa izany taty aoriana taona vitsivitsy monja sahady, raha hiditra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ny antony, noho ny tsy fijerena lavitra ireo namolavola izany, fa nikendrena fotsiny ihany izay olona tiana hirotsaka na olona tiana hailika tsy ho kandidà, mbamin’izay kajikajy maro samihafa ankoatra izany.

Ankehitriny, ny vavan’ireo olom-boafidiny miara-dia amin’ny fitondrana no nilaza, fa misy ireo mpanohitra ara-dalàna. Izany hoe, ireo olom-boafidy ao anatin’ny Antenimieram-pirenena izany. Raha sahy hilaza toy izany koa ny ao amin’ny Antenimierandoholona, dia tena fivilian-dalana tsotra izao amin’ny fitantanam-pirenena, satria iaraha-mahalala tsara, fa tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana loholona sy tsy manana olona ao amin’io andrim-panjakana io ny antoko mpanohitra. Raha sahy milaza fa misy mpanohitra ao dia tena mampieritreritra lalina ny maha loholona azy ireo.

Raha nambara ary fa misy ireo mpanohitra ara-dalàna voahidy ao anaty trano, dia izany hoe misy ireo tsy ara-dalàna. Iza ary ireo lazain’ny fitondrana na ireo miara-dia aminy ho tsy ara-dalàna? Hanavakavaka izany ny mpitondra sa ahoana no amaritany azy? Faritany amin’izay araka ny sainy fotsiny ihany na hamoromporonana lalàna maimaika eo toy ny fanaony ve? Fijeriny sy heviny manokana izay, ary tsy nakàna ny hevitry ny vahoaka izay nanome fahefana azy. Eo indrindra ilay hametraka olana, satria mandingana vahoaka tokony handrianina. Ary izay indrindra no tsy hampandroso ny firenena ary mety hiteraka olona indray any aoriana. Ity fitondrana ity sy mpiara-dia aminy tsy manana saina hitsinjo lavitra. Rehefa mipoitra ny olana vao mikoropaka ary manilika ny andraikitra amin’ny hafa na ireo tsy mitovy hevitra aminy. Efa hita izany tamin’ny andron’ny tetezamita dia izao mbola mitohy izao indray. Fitondrana tsy hitondrana fivoarana marina sy mendrika ny vahoaka Malagasy izao fitondrana izao raha ny fahitana ny zava-misy.