EDITO 17 jolay – Volan-kankafotra ny fivoaran’Antananarivo Renivohitra

Sôh’son

Hatreto tsy madio ny tanànan’Antananarivo renivohitra rehefa jerena ny eny rehetra eny, na eo afovoan-tanàna misy an’ Analakely sy ireo fokontany manodidina akaiky azy, na amin’ireo tanàna mamaritra azy.

Ny làlana ahitana fitomboana faharatsiana fa tsy mba miha-hita soritra ny fihatsaràny sy ny fivoarany. Tsikaritra ihany koa ny fitomboan’ireo olona, ao anaty fahantrana, eny an-dalambe rehetra eny. Mbola eo hatrany koa ireo mpivarotra amoron-dalana, izay midika fa tsy milamina ny fifamoivoizana ary tsy afaka ny fitohanana. Ao anaty fiainana andavanandron’Iarivo avokoa izany rehetra izany. Aiza izay fivoarany ?

Nanao teny fampanantenana be ny ben’ny tanàna ankehitriny, Vazahabe: Naina Andriantsitohaina, izay tena nanao izay fomba samihafa rehetra, na dia tsy nazava sy nahitsy aza, ahazoana ny toerana, fa hadio Antananarivo. Nolambolamboina izay azo nofitahina rehetra, fa izy dia afaka hiara-hiasa tsara amin’ny filohan’ny Repoblika, satria iray volo ihany. Dia niaraha-nahita ihany koa ny fihetsik’ity farany, izay ninia nikimpy nanitsaka ny lalampanorenana mihitsy, nanao izay nampandaniana ity olona tohanany, ary avy dia nanao be fiavy niseho ho hanadio ny tanàna tamin’ny fanomezana fitaovana amin’izany. Hatreto iaraha-mahita ny vokatry ny asany. Tsy madio ny renivohitra. Mbola hita amin’ny toerana maro sy faritra samihafa ny loto. Na eo akaikin’ny Lapan’ny tanàna aza dia ahitana izany loto izany mainka, fa ny miha-manalavitra azy. Tsy voafehy io resaka fahadiovan’ny tanàna io.

Ankoatra ny faharatsiana sy fahasimban’ny làlana eto an-drenivohitra, izay tsy hita mihitsy ny ezaka ho amin’izany nefa nidedahana ihany koa izany fa hovitaina, dia eo ny fitomboan’ireo olona, zaza amam-behivavy no maro eny an-dalambe sy sisin-dalana rehetra. Misy ny mangataka, izay misy tena mbola zaza ary misy ireo mibaby zaza koa aza, ary saika andalovan’izy ireo avokoa ny fiara mandalo eo aminy hangatahina vola. Misy ihany koa ireo matoritory fotsiny eny amin’ny toerana izay azon’izy atoriana eny. Na eo afovoan’Analakely aza dia ahitana izany tranga izany. Aiza ny fahaiza-mitondra mponina sy fampandrosoana ny tanàna? Raha mbola misy ireny olona ao anaty fahantrana ireny eo amin’ny tanànan’Antananarivo dia maneho tsy fahaizana mitondra tsotra izao izany.

Manampy trotraka mampibaribary ny tsy fisian’ny fivoarana eto an-drenivohitra ny mbola fisian’ny mpivarotra amoron-dalana eny rehetra eny. Ny vokatr’ireny iaraha-mahalala tsara fa fitohanana eo amin’ny fifamoivoizana. Na ireo mpandeha an-tongotra rahateo aza sahirana. Miara-dalana amin’izay ny tsy fandriampahalemana izay mbola manahiran-tsaina ny vahoaka. Maro araka izany ny toe-javatra tsy ahitana fivoarana eo amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, ary santionany ihany aza ireo.

Niseho ho hahavita ery ny ben’ny tanàna sy ireo ekipany amin’ny hoe hanatsara ny renivohitr’i Madagasikara, tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra nanaovana fihetsiketsehana be. Raha mijery ny zava-misy anefa, toa miendrika famitahana ny vahoaka ihany no natao. Tsy hampiova n’inona n’inona amin’ireny olana ireny anefa ny amin’ny hoe hanao fotodrafitrasa vaovao be.