METEZA HIAIKY SY HANETRY TENA !

Antomotra ny fionganana ary tsy azo ihodivirana.
Andry boboka no misy ka tsy azo amikirana.
Samy manana hadisoana saingy ity no mahonena:
Tsy hain’ingahy filoha ny miaiky, indrindra ny manetry tena!

Toa milamina ny sainy manoloana ny tsy mety,
Dia ny fahitana omby ery aorianan’ny sarety.
Aminy ny hoerahoera, izay no mampirotoroto,
Hany ka dia fahazarany ny miteti-dravitoto!

Hisasaka ny taom-piasana, andrasana ny tramway.
Toa ho revin-gadra anefa ka dia tsy mampino anay,
Fa ny tokonana aza tsy afaka, dia ny rindrina no iakarana,
Ka dia hahagaga ve raha rambony amin`ny filaharana?

Ny teteza-mihevaheva, toa tsy misy fanombohana.
(Vola ho amin’izany angamba mbola an-dalam-pikarohana!)
‘Zay ilay hoe ny “hadedahana” no tovanana “letrezana”,
Ka indrisy f’efa ataon’ireo mpijery ho fihomehezana!

Ry filoha o! mihevera, dia manaova “jery lanja”,
F’efa ny tsy fahombiazana, izany no mihanjahanja.
Apetraho ny fialana rehefa tsisy ny hafitsoka.
Ny fanalahidy mantsy no efa hita fa mipitsoka!

Na ovàna ireo ekipa, hatramin’ny praiminisitra,
Na havaozina tanteraka ny olona ao anaty lisitra,
Tsy izany velively no hanala ny mikatso,
Rehefa hita fa “ny lohany”, io mihitsy no matsatso!

Toa ingahy praiminisitra no voakianan’ny mpitazana,
Nefa ingahy filoha mihitsy no efa tsisy fahombiazana,
Ka na iza hotendrena, ka na iza no hatolony,
Efa tsy antenaina intsony ny filoha sy iretsy olony!

TSIMIMALO (11-07-21)