Vehivavy TIM Analamanga – Hanao hetsika lehibe ny sabotsy izao

Helisoa

Rantsana lehibe ao anatin’ny antoko Tiako i Madagasikara ny vehivavy TIM. Somary natoritory ireto farany nandritra ny fotoana elaela, tao aorian’ny tolona ho famerenana ny filoha Marc Ravalomanana eto antanindrazana, taorian’ny fanonganam-panjakàna notarihan’i Andry Rajoelina ny taona 2009. Vita iny ny tolona na mbola amin’ny ampahany aza, satria ny tanjona dia ny famerenana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM hitondra any Madagasikara indray ary hanarina ny firenena izay tena potika tanteraka ankehitriny.

Vokatr’izany, hijoro hanabe voho sy hampiroborobo ny antoko TIM ny vehivavy TIM Analamanga, ho hesorina ao anatin’izany ny tahotra, ka ho fitaratra ho an’ireo vehivavy marobe manerana an’i Madagasikara. Hisy araka izany ny fisehoana ataon’ireo vehivavy TIM ho fantatry ny rehetra, fa misy ireo Andriambavilanitra manao politika ao amin’ny TIM, izany dia hatao ao amin’ny QG Bel’Air Ampandrana ny sabotsy izao hanomboka amin’ny 10 ora maraina, izay hatrehin’ny birao politika nasionaly.

Efa nisy ny hetsika ara-tsosialy natao teo aloha ho fitsinjovana ny gadra politika miisa 12 mianadahy, miampy an’i Berija; teo ihany koa ny hetsika nanaovan’ny vehivavy TIM vaksiny rehefa naheno ny antson’ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo. Nanomana izany hetsika izaany tetsy Bel’Air izy ireo omaly, solontena ihany no nanatrika izaany, fa ny sabotsy izao dia hanasan’izy ireo ny vehivavy rehetra tsy ankanavaka.