TIM 19 taona – Mijoro hatrany ireo mpikambana mpanorina

Isambilo

Mitohy hatrany ny fanamarihana ny faha-19 taona nijoroan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), antoko najoron’ny filoha Ravalomanana nahazo fankatoavana ara-panjakana ny 3 jolay 2002.

Tamin’ity herinandro ity, fanohizana ny fihaonana amin’ny fototra, ao anatin’ny fanetsehana indray, na redynamisation ny antoko, no ataon’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra, mihaona amin’ireo mpitarika eny ifotony avy amin’ny kaominina, distrika ary ny faritra.

Anisan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’ireny fihaonana ireny fa : « tao anatin’izay 19 taona niorenan’ny Antoko Tiako i Madagasikara izay dia mbola mijoro hatrany ireo mpikambana mpanorina. TOHIZO NY LALANTSIKA », hoy i Dada. Ao anatin’izany no iezahana mandravona ireo mety olana anatiny ao anivon’ny antoko ary ny fanambarana ny fisokafan’ny TIM amin’ny sokajin’olona tsy ankanavaka, izay mankasitraka ny foto-kevitra demokraty kristiana. Tsy vitsy ireo nisintaka kely niala tao amin’ny antoko nandritra izay fotoana izay, iaraha-mahalala ny fampizarazarana natao tamin’ity antoko ity hatramin’ny fotoanan’ny tetezamita, maro koa anefa no miverina am-bala ankehitriny, fotoanan’ny famondronana ny hery izao, araka ny nambaran’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana ihany.