Kere any Atsimo – Tsy azo roahina izany i Gail Borgia

Ny Valosoa

Nampivarahontsana hatrany  ny fitondrana ankehitriny ny fitateram-baovao nataon’i Gail Borgia, toy ny fanazavana ny  fisandohana nataon’ilay mpaminany vavy breziliana tsy masina an-taniny nantsoina hoe Johanna, tao  koa ny raharaha volamena 73,5 kg tatsy Afrika Atsimo ary ny farany izay niteraka ady hevitra tsy mety vita dia ny mikasika ny fihinanan-koditra niseho tany amin’ny faritra Atsimo.

Samy nampiaka-peo nitsikera ny vaovao marina navoakan’i Gail Borgia na ny lehiben’ny  faritra tany amin’ny toerana nisehoan’ilay vaovao, na ny  tompon’andraikitra  avy amin’ny TVM, nahatsiaro ho afa-baraka ny fitondrana satria azo tamin’ny marina, satria mbola mihevitra foana ny hanafina ny tena zavamisy sy zavamarina eto amin’ny firenena, kanefa dia sarotra ary tsy takona afenina ny fahantram-bahoaka vokatry ny hagaigen’ny mpitondra, izay tsy mamaha ny olana, fa vao mainka aza mampihàtra ny fitantanana tsy mendrika ka mampahazo vahana ny fijalian’ny mponina any Atsimo.

Mivoaka avokoa ny rediredin’ireo  tsy mahazaka ny ilazana ny fahamarina, ka ao ireo milaza fa fanalambaraka ny any Atsimo hono ny vaovao navoakan’i Gail Borgia, ka tokony hifona hono ity namana mpanao gazety mahay ny asany ity, tsy izay ihany fa efa tonga hatramin’ny hoe tokony halefa miala eto Madagasikara  hono i Gail Borgia.

Ireo namana mpanao gazety miasa amin’ireo Masoivohom-baovao avy any ivelany dia naneho ny firaisankinany niaro ny fahasahiana nananan’ity mpanao gazety ity, nitatitra ny vaovao tena marina.

Mendri-piderana ity mpanao gazety vehivavy ity, satria nisafidy manokana mihitsy izy ny hiasa eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009, nitatitra ny vaovao tamim-pahamarinana ary vaovao tsy miandany no navoakany.

Mikasika ireo manam-pikasan-dratsy handroaka azy hiala eto Madagasikara dia azo lazaina hoe mirediredy ihany, satria i Gail Borgia na dia mizaka ny zompirenena frantsay aza sy miasa amin’ny orinasantserasera vahiny dia teratany malagasy hiringiriny, malagasy ray ary malagasy reny na dia teraka tany Frantsa aza, noho izany dia tsy azo roahina hiala eto, satria tsy misy ny teratany azo roahina hiala amin’ny tanindrazany, lalàna iraisampirenena izany ary nankatoavin’ny firenenena rehetra anisan’izany isika eto Madagasikara.

Mendrika ny fankaherezana ny zavabitany ary isika mpanao gazety malagasy dia tokony hanamafy ny firaisankina hiaro azy satria nahavita ny tsy sahintsika natao ity andriambavilanitra ity, mikasika ireo izay mbola manenjika azy dia tokony handinitena  satria fanampiana ny mpitondra hijery ny fahasahiranam-bahoaka no nataony, noho izany ny fanafoanana ilay kere mihitsy no tokony himasoan’ny fitondrana ary ireo mandrahona amin’ny endriny samihafa dia tokony hahatsapatena satria tsy azo roahina izany i Gail Borgia, satria tsy vahiny izy fa tena tompontany ary tsy azo iadiankevitra izany.