Mandady ny kamiao sy ny 4 x 4 ary ny fiara madinika – Mampiteny ny moana ny fahapotehan’ny RN2

Aly

Potika amin’izao fotoana ny ampahan-dalana sasany amin’ny lalampirenena faha-2 (RN2) mampitohy ny renivohitra Antananarivo, sy ny renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara Toamasina. Sahirana noho izany ireo mpampiasa izany lalana izany. Maro ireo lavadavaka hita amin’ity lalampirenena havokavoky ny toekarena eto amintsika ity, fa ny tena voa mafy amin’izao fotoana dia ny ampahan-dalana mampitohy an’i Brickaville sy Toamasina ao amin’ny faritra Atsinanana.

Mandady ny kamiao sy ny fiara tsy mataho-dalana 4 x 4 mandeha amin’izany lalana izany, satria tsy lavaka kely no misy fa tena lavaka lehibe tsy ho voatampina intsony raha tsy misy ny fijerena haingana an’izany. Ireo fiara madinika mandeha amin’izany lalana izany koa dia tena mijaly tanteraka. Raha lalana tokony ho vita ora iray sy sasany na ora roa izany ho an’ireo fiara madinika sy ireo fiara mpitatitra, ora 4 vao hahavitana izany lalana Brickaville-Toamasina izany. Ho an’ny fiara lehibe, na ny kamiao, raha tokony ho vitan’izy ireo ora 4 eo izany lalana izany, ora 6 any no analan’izy ireo azy.

Sahirana noho izany ny mpampiasa izany ampahan-dalana izany, simba ny fiara, nefa ny kojakoja fanolo na piesy amin’izao fotoana dia lafo. Mitombo ihany koa ny solika lanin’ireo fiara. Ary ny ankamaroan’ireo kamiao miasa eto amintsika dia natao handeha amin’ny lalana migadona (autoroute), fa tsy amin’ny lalan-dratsy, ka tena mikaikaika tanteraka izy ireo ankehitriny.

Araka ny feo re tany amin’iny faritra Atsinanana iny, raha tsy misy ny fanapahan-kevitra haingana raisin’ny fitondrana Rajoelina, indrindra ny ao amin’ny ministeran’ny asa vaventy, hisy ny hetsika hataon’ireo mpampiasa an’iny RN2 iny ato ho ato. Tena ataon’ny fitondrana Rajoelina faralahy amin’ny faritra ny faritra Atsinanana hoy ihany koa ny feo re tany an-toerana. Ho arahantsika eo ihany ny ho tohin’izay.