EDITO 29 Jona – Zava-manjo ny vahoaka – Notakonana tamin’ny fihatsarambelatsihy

Sôh’son

Mampieritreritra lalina raha misy milaza ho olom-pirenena tia ny tanindrazany ary faly sy ravo tanteraka, fa lafatra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona iny. Fihatsarambelatsihy amin’ny mpiray tanindrazana no ao aminy raha fanasohasoana an’i Andry Rajoelina sy ny fandokafana ny renty sy hetsika natao teny Mahamasina ny hany tokana tao an-tsainy. Mahasanganehana ihany raha mahita ireny fankalazana ireny, kanefa tsy mahatsiaro ireo mpiray tanindrazana fadiranovana tanteraka. Miendrika fitiavan-tena tsotra izao no manjaka raha tamin’iny andro iny no tsy nisento ny manjo ireo mifiaka ny antsoro maina, kanefa manao lanonana hisehosehoana ivelany fa mahavita zavatra. Manasalasala toy ny akotralahy ny zava-nisy.

Novakian’ny mpamakafaka iray bantsilana fa ny fitondrana ankehitriny, dia toa tsy mipetraka amin’ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ny tongony. Rehefa maneho ny heviny izy, re eny amin’ireo haino aman-jery samihafa, dia toa tsy any amin’ny filàna fototra andrasan’ny vahoaka mafy sy maika no ambarany sy ataony. Hany ka lasibatra hatrany eo amin’ny fiainany andavanandro ilay vahoaka. Ao anatin’izany dia tsy misy asetrin’ny fitondrana izany mba ho fanonerana ny fahavoazana, fa izay voa any aloha dia voa. Ohatra akaiky amin’izany ny fisian’ny delestazy lava izao. Raha tsy hilaza afa-tsy ny alahady lasa teo fotsiny, dia in’efatra be izao mihitsy no tapatapaka ny jiro teny amin’ny faritra sy tanàna maro. Efa ho roa taona sy tapany nahateo amin’ny fitondrana azy ny mpitondra ankehitriny kanefa tsy mivaha ny olana. Ny fatiantoka ao anatin’izany tsy hita pesimpesenina. Maro anefa ny tranga mitovy amin’izany manjo ny vahoaka isan’andro, ary dia miady irery izy hamahany ny olany sy iarenany, fa lavitra azy tanteraka ilay fitondrana miseho milaza mandrakariva ho mahatsapa ny fahoriany kanefa tsy misy fihetsika kely akory hanampiana azy.

Fisehoana ivelany ireny hita teny Mahamasina ireny, fa ny andrasan’ny vahoaka dia asa mivaingana mitondra soa ho azy ary tsy miandry fotoana ela. Natao litania teny an-kianja, ny amin’ny hoe ”Malagasy miray hina”. Tena vonton’izany ve anefa ny mpitondra sy manam-pahefana isan-tsokajiny? Raha ny hatramin’izay dia sarotra ny hino fa ao aminy izany, fa ny ho avy taorian’iny 26 Jona iny asa? Ny nibaribary mantsy, dia misy ampahana vahoaka sy sokajin’olona atao anjorombala sy ailika eto, ary nisy nomena tombondahiny nandritry ny fotoana naharitra ary mbola mitohy hatrany izany mandraka ankehitriny.

Diso mihitsy ny filazana olona eo anivon’ny fitondrana, fa tsy an’ny fitondrana irery ny andraikitra fampandrosoana ity firenena ity, fa an’ny vahoaka ihany koa. Koa raha mitanila ny fitantanana ilay vahoaka, amin’ny fomba ahoana no isian’ny fandraisany andraikitra sy ny fiaraha-mientana amin’ny fitondrana? Iaraha-mahalala rahateo fa ity fitondrana Rajoelina ity dia miseho hahavita tena irery, fa tsy mila ny hafa. Mila manova toe-tsaina sy fomba fiasa tanteraka izao fitondrana izao, fa raha tsy izany dia miala na hesorina no mety aminy.