Mpanolotsaina Kaominina Antsirabe – Tsy manaiky ny fanaovana tantely afadrakotra an’Antsirabe

Helisoa

Mitady hiverina tamin’ny fitantanan’ny mpitondra teo aloha ny tanànan’Antsirabe, ny mpitantana amin’izao fotoana izao, hoy ny mpanolotsaina ny tanànan’Antsirabe, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly 23 jona.

Manoloana izany indrindra, tsy hilefitra amin’ny fanaovana gaboraraka sy tantely afadrakotra ny fananan’ny kaominina Antsirabe izahay, hoy ny mpanolotsaina ny Tanàna David Randriamanjato avy amin’ny tsy miankina. Efa ninia tsy niteny izahay nandritra izay herintaona sy tapany nitondràn’ny ben’ny Tanàna ny tanànan’Antsirabe izay, satria tianay handroso amin’ny maha Tanàna iombonana azy Antsirabe, saingy tsy afaka ny hipetra-potsiny intsony izahay hoy izy, fa tsy maintsy mijoro satria manantena anay ireo vahoaka nifidy anay.

Ny mpanolotsaina ny Tanàna avy amin’ny tsy miankina, pasitera Christian Razafindrafito dia nanamafy, fa tsy hiray tsikombakomba amin’ny fitantanana tsy mahomby amin’ny kaominina izahay, fa hijoro hamotsipotsitra ny zavatra tsy mety ataon’ny mpitondra. Tsy afaka manantanteraka antsakany sy andavany ny asa nampandraiketin’ny vahoaka anay izahay mpanolotsaina hoy izy, satria mitady hiverina ny fahazarandratsy nataon’ny teo aloha, izay efa nahavoasazy ny tompon’andraikitra voalohany tao amin’ny kaominina Antsirabe izany.

Ny zavatra rehetra dia alefa haroso ho eken’ny mpanolotsainana na hita izao fa tsy mety, satria maro an’isa ireo CM miaraka amin’ny ben’ny Tanàna izay miisa 10 ary ireo tsy mitovy loko amin’ny mpitondra 9. Manoloana izany lany foana izay hevitra aroson’ny mpanatanteraka. Ankoatra izay, tombontsoa manokana no manjaka ao Antsirabe hoy ny mpanolotsaina lany tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara Randrianarivelo Faliniriana. Tamin’ny voalohany dia tsy nijerena loko politika ny zavatra niainana tao nandritra izay herintaona mahery izay, saingy araka ny voalaza dia tsy afaka ny hijery fotsiny intsony izahay hoy izy.

Teo amin’ny fandaniana ny kaontim-pitantanana (CA), no tena nahatonga anay hiresaka aminareo mpanao gazety. Tsy misy amin’ny antsipiriany io CA io, fa tonga dia vola miditra sy mivoaka ary ny ambimbola fotsiny, izay no hivorianay ao anatin’ny 10 andro. Raha ny tokony ho izy araka ny lalàna dia ilaina ho fantatra amin’ny antsipiriany ny hetra sy ny vola miditra amin’ny tanànan’Antsirabe. Fanampin’izany, ny patrimoine ao Antsirabe dia lasa tantanan’olon-tokana ary tsy miditra ao anaty kitapombolan’ny kaominina ny vola azo amin’izany. Ity ihany koa hoy Faliniriana Randrianarivelo dia misy santionan’ny tsy fanarahan-dalàna miseho ao amin’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra. Ny fiantsoana handinihana ny kaontim-pitantanana dia tapitra ny 31 mey 2021, ny 1 jona sahady dia efa tonga ny fiantsoana handaniana ny tetibola fanampiny. Efa fantatra mialoha izany fa ho lany io kaontim-pitantanana io? Ahoana ny fanamarinana n any contrôle de legalité ataon’ny prefektora mikasika izany ? Ny mpanolotsaina 19 efa nandà ny hanaovana io, saingy tamin’ny ora farany araka ny teny midina dia niova hevitra tampoka ireo mpanolotsaina 10 miaraka amin’ny mpitondra.

Rahoviana hoy ireo mpanolotsaina ireo vao ho tonga saina ny mpitantana ny tanànan’Antsirabe ? loko iray ny ben’ny Tanàna, ny governora, ny fitondràna foibe, izay raha dinihana dia tokony handroso Antsirabe satria tsy misy ny sakana; nefa raha ny hita dia tsy misy zavatra mandeha ao.