Karama sy vatsim-pianarana tsy voaloa – Mihetsika koa ny any amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa

Isambilo

Miitatra toy ny sima misioka indray amin’izao fotoana ny hetsika eny anivon’ny Anjerimanontolo eto amintsika. Tao aorian’ny tany Toliara afak’omaly, nihetsika ihany koa ny any amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa omaly. Fitokonana mahakasika ny fitakiana ny karaman’ny mpiasa sy mpandraharahan’ny Oniversite tsy voaloa, sy fitokonan’ny mpianatra, noho ny tsy fahazoan’izy ireo ny vatsim-pianarany.

Raha nafampana ny tany amin’ny Oniversiten’i Toliara afak’omaly, fifandonana teo amin’ny Mpianatra sy Mpitandro filaminana, nisy ihany ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-Tsiansa mahakasika ny ezaka ataon’ny Mpitondra Fanjakana amin’ny famahana ny olana. Izany dia tsy sakana ny mbola mampitokona indray ireo Mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa omaly marainan’ny alarobia 16 jona 2021.

Tsara ho marihina fa tsy afaka mamaha izany samirery ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-Tsiansa, fa miankina indrindra ihany koa amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Teti-bola ary ny Fanjakana foibe ny famahana ity olan’ny mpianatra ity araka ny voalaza.

Tsy mahafapo ireo mpianatra sy mpiasa ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-Tsiansa, ka nahatonga izao hetsika izao. Fitondrana tsy mahaloa volan’olona ity fitondrana Rajoelina ity, ary tsy mahalala menatra mihitsy mahakasika an’izany.