Ravalo teny amin’ny ONU Andraharo – Mbola manentana ny rehetra hanao vaksinin’ny covid-19

Isambilo

Vita vaksiny covishield/ Astrazeneca, ho fiarovana amin’ny valanaretina coronavirus, teny amin’ny foiben-toeran’ny ONU eto amintsika, eny Andraharo, afak’omaly, ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny ny antoko TIM, Marc Ravalomanana mivady. Natao vaksiny tamin’izany koa ireo ao amin’ny birao politikan’ny antoko TIM, sy ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara.

Tao aorian’ny fahavitany vaksiny, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana, fa ny fanaovana vaksiny no fomba mahomby indrindra, ho fiarovana sy iadiana amin’ny valanaretina covid-19. Noho izay antony izay, mbola manentana ny Malagasy rehetra izy hanao vaksiny, satria mbola misy ny fotoana. Niandry ny mpitondra ihany aho hoy izy, satria izy ireo no tokony ho modely nanao izany vaksiny izany mialoha, toy ny tany amin’ny firenena hafa: ny Filohampirenena, ny Praiministra no natao voalohany,… nefa tsy nanao izany izy ireo, koa dia tonga aho filohan’ny rodoben’ny mpanohitra naka hery fiarovana amin’ity valanaretina ity ary manentana ny Malagasy rehetra hanao izany vaksiny izany aho, fa azo antoka io. Na izany aza mila arahana foana ny fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra mahazatra: ny fanaovana arovava sy orona, ny fanajana ny elanelana 1 m, ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony, na fampiasana gel hydroalcoolique,…

Fa nararaotin’ny mpanao gazety ihany koa ny nanontaniana azy ny mahakasika ny mbola fisakanana nataon’ny zandary azy, teny Ambohimangakely. Nilaza ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy maintsy misy foana ny sakana, fa tsy maintsy “hi-sauter-na”, na hita foana ny hialana an’ireny hoy izy. Fahafaham-baraka ho an’ny fitondrana ny fanovana ireny sakantsakana ireny eo imason’izao tontolo izao hoy ity filohan’ny mpanohitra ity.

Mahakasika ny tombana momba ny zava-bitan’ny fitondrana amin’izao fotoana, nandritra izay 2 taona sy tapany izay, nilaza ny filoha Ravalomanana, fa négative na miiba ny bilan-n’izy ireo, tsy hanome naoty aho hoy izy hoe 5/20 ny naotin’izy ireo, fa négatif ny bilan-n’izao fitondrana izao, satria mbola tsy voafehiny ny valanaretina covid-19, tena mahantra sy sahirana ny vahoaka, manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy voafehy ny vidim-piainana…

Mbola hitohy mialohan’ny 17 jona ho avy izao ny fanaovana vaksinin’ny coronavirus eto amintsika, any amin’ny volana aogositra any kosa ny famerenana fanamafisana izany vaksiny izany fanindroany ho an’ireo nahavita ny tsindrona voalohany.