Fiainam-pirenena – Diso lasibatra tanteraka izao fitondrana izao

Sôh’son

Lainga marivo tototra no re amin’ny fiarovan-tenan’ireo mpitandro filaminana, sy ny lehibeny tamin’ny fanazavana nataony, momba ny fisakanana ny fiaran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo mba fivoahana kely nataony tamin’ny toerana samihafa notsidihiny ary indrindra avy eny Ambohimangakely Avaradrano vao tsy ela izay. Asa raha mba azon’ity jeneraly an-tsaina tsy maintsy nomena toerana eo amin’ny fitondrana ity, fa vao mainka nampiharihary ny tsy fahaizan’ny fitondrana miasa ireny ho an’ny vahoaka n’inona n’inona fanazavany. Malagasy no sakananao, fa omeo porofo izy raha mahavita maneho fa nisy vahiny nosakanan’ny zandariny. Jeneraly ambony grady kanefa milaza toe-javatra mirefarefa matetika. Izany ireo nomena galona jeneraly maromaro eto amin’ny firenena. Tsy hita marina sy mazava, fa tena mendrika ny firenena amin’ny fiarovana amim-pahendrena lalina ilay vahoaka sy ny firenena izy ireo. Sanatria ve ny ankamaroany dia mbola lasa miverina mifikitra amin’ny fisainan’ireo fahiny tamin’ny faha-mpanjaka fony nanita-panjakana? Hain’izy ireo ny tantara momba izany. Marobe anefa izy ireo ary andaniam-bolam-bahoaka kanefa aiza ny setrin’izany ho an’ny vahoaka? Toa tsy mahita tombontsoa amin’izy ireo ny vahoaka.

Ity fitondrana ity dia miha-miseho fa diso lasibatra amin’ny fitantanam-pirenena. Hita ho tsy mifantoka sy mifofotra tanteraka amin’ny fampandrosoana izy ireo, fa manapotika ity firenena ity ny fomba fiasany. Efa nambara hatrany fa ny mpanohitra dia tena ilain’ny fitondrana raha tiany ny hahita fahombiazana eo amin’ny fitondrana. Tsy izany loatra anefa, iaraha-mahita no mitranga. Ireo indray no enjehina ary itadiavan-kevitra isan’andro. Tsy mbola nahavita mihitsy izao fitondrana ankehitriny izao nametraka mazava sy mahitsy am-pahatsorana ao an-tsain’ny vahoaka rehetra ny amin’ny fahavalo iombonana tsy maintsy ho resena haingana anaty fotoana fohy, mba tsy hampikorosy ny firenena ao anaty fahantrana lalina. Ny asehon’ny fitondrana indray anefa, dia ireo mpiray tanindrazana, mipetraka ho mpanohitra indray no anehoany “vangy” mihitsy ny fanenjehana azy ireo ary tsy miahotra fa aseho amin’ny vahoaka izany. Hadisoana bevava eo amin’ny fitantanam-pirenena izany.

Saika isan’andro no ahenoina ny fitarainam-bahoaka, fa misy vahiny mibodo sy maka an-keriny ny taniny. Fa iza no tokony ho arovan’ny fitondrana Rajoelina voalohany indrindra? Tsy ahenoina teny momba ireny anefa ny fitondrany. Ireo vahoaka miaro ny taniny indray aza no andefasana miaramila mirongo basy. Santionany ireny fa sary maneho indrindra ny hadisoan’ny lasibatra ataon’izao fitondrana izao izany. Ka na iray alehany, manana olana amin’ny “maso” ny fitondrana, na ilay fijery sy saina namaritana ny lasibatra mihitsy no diso hatrany am-boalohany. Tsy maintsy hampisy olana eo amin’ny fitantanam-pirenena anefa izany ary tsy maintsy any amin’ny vahoaka hatrany no mifatratra ny ngidiny sy ny voka-dratsiny.