SEG, jeneraly misotro ronono – Manao fitaovana politika ny zandary anenjehana olon-tokana

Niaina

Ataon’ny sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena (SEG), izay jeneraly misotro ronono, ho fitaovana politika anenjehana olon-tokana fotsiny amin’izao fotoana ny zandarimariam-pirenena Malagasy. Arahan’izy ireo maso akaiky hatrany ny filoha Marc Ravalomanana, any an-tranony, ka hatrany amin’ny toerana rehetra izay alehany. Izany dia mandika ny lalàna velona eto amintsika, dia ny fahafahana mivezivezy sy maneho hevitra malalaka ho an’ny olona tsirairay.

Tsy fiarovana ny vahoaka sy fanana intsony no imasoan’ny zandary sasany izao, fa mivadika ho fihantsiana sy fampitahorana ny filoha Marc RAVALOMANANA, sy ny mpiara-dia aminy. Koa atao daholo izao fihetsika mamohehitra rehetra izao, andefasana zandary ao ivelan’ny tranon’ity filoha ity, dia avy eo lasa miasa misava izay olona mivoaka sy miditra ao amin’ny trano fonenany ireo zandary, ary ny faran’ny herinandro teo dia ny zony hivezivezy eto amin’ny tany sy ny firenena mihitsy no natao tsinontsinona, nosakanana tany amin’iny lalampirenena faha-3 iny izy, ary tsy noraharahian’izy ireo ny fananan’ny satan’ny maha filohampirenena teo aloha azy.

Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa itony zandary itony tsy hanao fihetsika tahaka izao, raha tsy misy ny mibaiko, dia ny eo anivon’ny SEG izany, izay tsy zovina amintsika hoe iza no mitarika an’izany dia ny jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana. Ny fisian’io jeneraly misotro ronono io mitarika ity sekreteram-panjakana ity anefa, dia karazan’ny ompa ho an’ireo manamboninahitra ambony am-perinasa ao anivon’ny zandary ihany, tokony ireo am-perinasa amin’izay no hifehy ity rafitra ihany eo ambany fiarovan’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ity.