Satan’ny mpanohitra – Lôjika sy rariny ny maha-filohan’ny mpanohitra an-dRavalo

Isambilo

Mbola resabe eo amin’ny tontolo politika eto amintsika amin’izao fotoana ny sata mifehy ny mpanohitra, sy ilay tolo-dalàna Brunel Razafitsiandrofa, nolanian’ireo senateran’i Madagasikara farany teo. Tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana izany tolo-dalàna vao nolaniana izany, ary efa nisy ny lalàna mahakasika io satan’ny mpanohitra io, nefa tsy navoakan’izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy ny fampiharana azy, fa namporisihany hanao ilay lalàna sadasada, na lalàna vendrana iny ihany ny depioten’Ikongo any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ambonin’izany, efa nanambara ho ren-tany ho ren-danitra ny filoha Andry Rajoelina, fa raha izy no lany ho filohampirenena dia hataony ho filohan’ny mpanohitra ny filoha Marc Ravalomanana, ny filoha Ravalomanana koa nanambara izay, raha izy no lany teo dia nataony filohan’ny mpanohitra Rajoelina.

Nolanian’ny HCC sy ny Ceni Rajoelina, tsy mitanana ny teny nomeny anefa ity farany, efa mahazatra azy tokoa izay mivadibadi-dela sy madainga izay. Fa raha ny momba ity satan’ny mpanohitra ity, raha akapoka ireo voalaza, lôjika sady rariny raha ny filoha Marc Ravalomanana no filohan’ny mpanohitra eto Madagasikara, izy rahateo no nahazo vato faharoa be indrindra teto amintsika tamin’iny fifidianana filoham-pirenena farany teo iny, izay fifidianana feno hosoka sy halabato noho ny resaka « doublons ».

Ankoatra izany, araka ny famakafakan’ny RMDM : RODOBEN’NY MPANOHITRA HO AN’NY DEMOKRASIA ETO MADAGASIKARA momba ny TOLO-DALÀNA LAHARANA 01-2019/PL : raha ny fomba fanao eo amin’ny famolavolana lalàna dia ny tombontsoa iombonana no tena atao tanjona. Rehefa izay mantsy no tanteraka dia afaka ampiasana amin’ny vanim-potoana samihafa ilay lalàna ary tsy voatery hanaovana fanitsiana na fanovana mihintsy aza. Manaraka izay ihany koa dia tsy maintsy manaraka izay voalaza ao amin’ny lalampanorenena ilay lalàna izay vao novolavolaina ary manome ny antsipiriany mikasika izay voasoratra ao amin’izany lalampanorenana izany. Ny mifanohitra amin’izany no hita ao amin’ity tolo-dalàna laharana 01-2019/PL izay natao hanovana ilay lalàna 2011-013 mikasika ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara. Tsy mikatsaka ilay tombontsoa iombonana ity tolo-dalàna vao nankatoavin’ny Antemiera ity, fa mikendry kosa olon-tokana dia ny tsy fankatoavana ny lehiben’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao dia ny filoha Marc Ravalomanana, ka atao izay anilihana azy eo amin’izay maha lehiben’ny mpanohitra azy izay.

Noho izany, tanjona tokana izany dia azo lazaina fa tsy mifanaraka ary mandika ny lalampanorenana ity fanovana izay natao ity. Foto-kevitra fototra voalazan’ny lalampanorenena momba ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.
1. Ny andininy faha 14 ny lalampanorenana dia manaiky ary miantoka ny zo ny mpanohitra amin’ny fomba demokratika. Izany hoe andraikitry ny mpitondra fanjakana izany no mametraka ireo fepetra ara-dalàna rehetra, mba hahafahan’ny antoko mpanohitra misitraka izany zon’izy ireo izany.
2. Ankoatry ny fiantohana ny zon’ ny fanoherana amin’ny fomba demokratika, io andininy faha 14 io ihany dia mamaritra foto-kevitra lehibe roa dia ny “vondrona politika mpanohitra” sy ny “lehiben’ny mpanohitra”.
3. Ary farany, dia mbola ny andininy faha 14 ihany no mamaritra ny fitsipika ampiasana eo amin’ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra sy ireo vondrona politika mahefa afaka mandray anjara amin’izany fanendrena izany, fa tsy ny vondrona parlemantera. Toy izao ny voalazan’ ny andininy faha 14 ny lalàmpanorenana: “Ny lalàmpanorenana no miantoka ny zo hijoro ho mpanohitra amin’ny fomba demokratika. Aorian’ny fifidianana Solombavambahoaka, ny vondrona politika mpanohitra dia manendry ny lehiben’ny mpanohitra. Raha tsy misy ny fifanarahana dia ny lehiben’ny vondrona politika mpanohitra izay nahazo vato manan-kery be indrindra tamin’ny latsabato no heverina ho lehiben’ny mpanohitra.”

Noho ireo fotokevitra fototra telo voalaza ireo dia mazava ny voalazan’ny lalampanorenana, fa vondrona politika mpanohitra no voalaza fa tsy vondrona parlemantera mpanohitra. Eo amin’izany vondrona politika mpanohitra izany dia tsy mamaritra mihintsy ny lalampanorenena fa tsy maintsy solombavambahoaka voafidy no tsy maintsy tendrena ho lehiben’ny mpanohitra. Tsara ihany koa ny manindry fa araky ny andininy faha-72 ny lalampanorenena mikasika ny mandat impératif dia ny hevitr’ilay hoe vondrona politika izay nahalany ilay solombavambahoaka dia midika, fa ilay antoko politika na ilay vondrona antoko politika nilatsahany ho fidina. Ny vondrona parlementaire dia tsy mandatsaka olona ho fidina ho solombavambahoaka. Araky ny andininy faha 78 ny lalampanorenana izay milaza fa “manana zo amin’ny toeran’ny filoha lefitra iray ny mpanohitra ary mitarika ny iray amin’ireo vaomiera farafahakeliny”. Izany no natao dia mba hialana amin’ny fanjakazanan’ny foto-pisainana tokana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, izay mety tsy hikatsaka ny tombontsoa iombonana.

Raha ny tokony ho izy izany dia andraikitry ny lehiben’ny mpanohitra no manendry olona amin’ireo toerana natokana ho an’ny mpanohitra ireo. Mba ho fampiharana ny andininy faha-14 ny lalampanorenana io no nankatoavana ny lalàna 2011-013 kanefa io lalàna io dia tsy nampiharina mihintsy. Raha dinihana ny tolo-dalàna laharana 01-2019/PL, izay manova ny andininy sasany amin’ny lalàna 2011-013 arak’ireo voalaza rehetra ireo dia ireto no azo ambara:
1. Tsy andraikitry ny solombavambahoaka no manendry izay ho lehiben’ny mpanohitra, satria ny antony dia tamin’izy ireo nilatsaka ho fidiana dia ny nankatoavanin’ny antoko politika izay tarihin’ny lehiben’izany antoko politika izany izy ireo. Io lehiben’ny antoko politika io dia tsy voatery hilatsaka ho fidiana solombavambahoaka. Noho izany ny fifidianana izay ho lehiben’ny mpanohitra dia miankina tanteraka amin’ireo antoko izay nanao fanambarana amin’ny fomba ofisialy fa antoko mpanohitra. Tsara ho marihina noho izany fa ny fampidiran-teny hoe “aorian’ny fifidianana solombavambahoaka”ao amin’ny andininy faha 14 ny lalampanorenena dia natao mba hamerana ny taom-piasan’ny lehiben’ny mpanohitra ary koa hanamorana ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra raha toa ka misy tsy fifanarahana eo amin’ireo antoko mpanohitra, fa tsy midika hoe tsy maintsy solombavambahoaka voafidy no lehiben’ny mpanohitra.
2. Ny fandikana vilana ny voalazan’ny lalampanorenana eo amin’izay fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra dia manimba ny tanjona voalazan’ny lalampanorenana dia ny fametrahana ny fanoherana amin’ny fomba demokratika, izay misoroka ny krizy miverimberina teto amin’ny firenena.

Noho izany io tolo-dalàna izay vao nankatoavina teny amin’ny antenimiera io dia mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalampanorenana.