Raharaham-pirenena – Ny tahotra an-dRavalo no lehibe indrindra

Ny Valosoa

Ny andinintsoratra masina mivaky hoe :”ny fitiavana no lehibe indrindra “no ampiasain’ireo olon’ ny fitondrana rehefa te handresy lahatra ny vahoaka ry zareo. Ny teny hoe “ fitiavana “ rahateo dia ao anatin’ny teny filamatrin’ny Repoblika fahaefatra, kanefa ny fahitana ny zavamisy tsy ilay fitiavana nambaran’ny baiboly no mahazo vahana, fa toa ilay fitiavana fahita any amin’ny “boite de nuit”, tsy mahagaga satria Dj no mpiantsehatra, miampy fitiavantena sy fitiavandratsy, satria hita sy azo tsapaintanana fa ny fankahalana ny Filoha Ravalomanana no mibaiko ny fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny, izay ny mahatonga ireo sakantsakana samihafa, kanefa ihany koa dia tsy takona afenina fa tsy hery fa tahotra no mahatonga izany rehetra izany.

Efa tsapan’ny mpitondra fa manana ny lanjany ny Filoha Ravalomanana ka ny hevidravina hitan’ireo mpamotika firenena dia ny mampiady an’i Dada amin’ireo vonona hanarina ny firenena miaraka aminy.

Ny fanovana ny lalàna momba ny fanoherana dia vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora, fa tetika ampiadiana ny Filoha Ravalomanana amin’ireo solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara, mihevitra ireo mpomba andRajoelina fa olona marivo salosana ireo solombavambahoaka Tim, ka ho tafiditra amin’ny velampandrika.

Rehefa tsy voajono tamin’ny hevitra taingina ireo solombavambahoaka Tim dia ireo antoko mpikambana ao amin’ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara indray no ikarohana hevitra ifandoto amin’ny Filoha Ravalomanana, dia misy ny mamorondresaka tsy mitombina fotsiny izao, milaza fa tsy mankasitraka ny ahazoan’ny Filoha Ravalomanana ny toeran’ny filohan’ny mpanohitra hono ny Hvm na ny antoko “Hery Vaovao ho an’ny Madagasikara”, ny mahatsikaiky dia tsy ny tompon’andraikitra ao amin’ny antoko Hvm no mamoaka ilay vaovao fa mpanao gazety izay efa diso fantatra fa mpiaro bontolo andRajoelina.

Tsy mampihetsibolomaso ireo mpikambana ao amin’ny Rmdm anefa izany satria ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Rajaonarimampianina dia mifandray aradalana ary ireo mpikambana ao amin’ny Antoko Hvm tarihin’ny mpandrindra nasionaly Rivo Rakotovao sy ireo mpikambana ao amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara eo ambany ny fandrindran’i Rina Randriamasinoro dia manga dia manga toy ny kravaton’ny Hvm ny resaka, tsy misy olana na dia kely aza,ny dikan’izany dia lahatsoratrin’ny nahazo felaka ny filazana fa tsy mifankahazo ny Hvm sy ny Tim.

Tsy ny fositra akory no tsy ambolemboavahy, sady tsy mampalaikomana ny vahoaka tia fanovana ny vavan’ny maty andrano fa vonona hiroso hatrany ny Rmdm, asakasak’izay torakovitra satria ny azy ireny dia ny tahotra an’i Dada no lehibe indrindra.