MINISITRA KAPOAKA ?

Tsisy zava-mahagaga fa “minisitra kapoaka”,
No miandraikitra ny varotra ka dia ory ny vahoaka!
Ny karana no nomeny tombondahiny eto an-dasy,
Fa niniana nopotehina ny orinasa Malagasy.

Ankehitriny, mihamahantra sy mitolona ady sarotra,
Iretsy Malagasy kely izay mivelona amin’ny varotra.
Tsenan’ny karana hatrany no mivelatra sy mitatra,
K’aza gaga raha ny menaka, ho iray alina ny litatra!

Hatreto izao dia mbola andrasana ny hiavian’ilay kapoaka,
‘Zay hatao manara-penitra hanodinan-tsaim-bahoaka.
Endriky ny fampiesonana izay natao an-karihary,
Nony injay fa tsy voafehy ny fiakatry ny vidim-bary.

…Moa ve tena mbola hitohy ny sondro-bidy tsy hay fefena,
Sa mba hidina amin’izay ny vidin’entana eny an-tsena?
Fa raha tena tsy voafehy dia hisy zavatra hipoaka,
Vokatry ny tsy fahaizan’ny “minisitra kapoaka”!

IRINA HO TAFITA (07-06-21)