HISY MPIHAINO NY KABARY ?

Tena reraka izahay, mitohy hatrany ny hanoanana,
Leon-kabary fampiesonana, efa tena leom-boananana.
Ka raha mbola rediredy, izany foana no ho re,
Dia tena hopihinay malaky ny radio sy ny tele.

Raha teteza-mitsingevana, tena tsy hihinanan-kanina,
No ventesina hatao fa ny mahantra odiana fanina,
Dia aleo tsy hisy mpihaino izay kabary lavabe,
Fa dia hopihinay malaky ny radio sy ny tele.

Raha odiana tsy jerena ireo sekoly sy fiangonana,
Ka haverina hambara fa hitohy ny fikatonana,
Dia hitsangana izahay mpitandrina sy mpanabe,
Ka dia hopihinay malaky ny radio sy ny tele.

Raha ‘zay mbola ny akohovavy tia maneno no ho tazana,
Eo anilan’ny mpitarika ka hirehaka ho mazana,
Dia ho tena hadisoana avy aminay vahoaka ve,
Raha toa hopihinay malaky ny radio sy ny tele?

Ho anay, ny anio aloha no maika f’efa refona sy maina.
(Ny anareo mpitondra anefa, efa fety no ao an-tsaina!)
Ka raha manana ianareo fa tsy mivonona hanome,
Dia miomàna, hopihinay ny radio sy ny tele.

DADAN’i ZINA (28-05-21)