Fitondrana Rajoelina – Maro ireo tsy fanajana lalampanorenana ataony

Andry Tsiavalona

Tsy tambo isaina intsony ny tranga izay sarotra tokoa ny fomba entina manazava sy manome ny antony isehoany, kanefa azo vinavinaina ny tanjona tian’izay miafina ao ambadika tiana hahatongavana. Rehefa hiverenana ny fanomezan-toky sy ny “velirano” nataon’ny filohan’ny Repoblika ankehitriny dia ny mifanohitra amin’izany avokoa ny tranga iainan’ny vahoaka Malagasy nandritra izay roa taona sy tapany nahatongavany teo amin’ny fitondrana izay. Mifanipaka be mihitsy ny manao “velirano” amin’ny vahoaka sy ny “mianiana”, fa hanaja izatsy na izaroa (lalàna, fitsipika, teny nomena, sns,…).

Raha firenena repoblikana sy demokratika ny firenena dia ny Lalàmpanorenana no fototra hanorenena ny hetsika rehetra eo anivon’ny sehatra sy ny ambaratongam-pitantanana mijoro rehetra. Tsiahivina ireo teboka lehibe misy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana: ny lehibe indrindra amin’ireny dia ny “fanajana ny Lalàmpanorenana toy ny anakandriamaso. Tsy nianiana tamin’ny Baiboly anefa izany, ka mitovy amin’ireo “velirano” rehetra ihany. Maro ireo tsy fanajàna ny Lalàmpanorenana eo amin’ny fitantanana ny Firenena, ka anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny tsy mbola nametrahana ny mpanohitra eo amin’ny toeran’ny filoha lefitra faha fito ao amin’ny Antenimierampirenena. Ny tena manahirana ny sain’ny maro dia ity andrim-panjakana ity no mpanaramaso ny asan’ny mpanatanteraka kanefa dia tsy vitany ny manery ity rafitra ity hamoaka ny didim-panjakana mampanan-kery izany. Amin’ny ankapobeny, araka ny zava-misy, dia tsy mpanaramaso ny asan’ny governemanta, fa toa lasa mpangataka ny hanatanterahana fotodrafitrasa ao amin’ny distrika nahalany azy ny depiote. Raha roa taona sy tapany tsy mbola mipetraka amin’izany toerana izany ny mpanohitra dia mbola tsy fanajana ny Lalàmpanorenana ihany koa izany ary azo antoka, fa matahotra mpanohitra izao fitondrana izao.

Tsy azo adinoina ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny olompirenena tsirairay dia ny tsy fananany fahafahana maneho hevitra sy mivavaka any am-piangonana, izay tsy ny Lalàmpanorenana ihany no miantoka izany, fa ny Lalàna iraisam-pirenena ihany koa. Manamarina izany ny nisamborana ireo iraika ambinifolo mianadahy saika hamonjy ny tatitra nokasain’ny depiote enina lany teto an-drenivohitra natao ny 20 febroary 2021. Izany no manamarina ny raketin’ny lalàna hoe “procès d’intention”, satria dia nosazin’ny fitsarana telo volana an-tranomaizina izy ireo. Anisan’ny nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana ihany koa ny fitandroana ny fandriampahalemana.

Iaraha-mahalala ny asan-dahalo sy asan-jiolahy manerana ny Nosy, kanefa dia ny tranga tany Midongy Atsimo no manaporofo fa tsy voafehin’ny mpitondra ny tsy fandriampahalemana. Ny ampitson’ny nametrahan’ny filohan’ny Repoblika ilay tobin’ny tafika tany Iakora, ka nanambarany fa nihena dimampolo isan-jato ny asan-dahalo, dia nampiseho ny heriny ny dahalo. Roapolo eo no namoy ny ainy, ka mipetraka ny fanontaniana hoe natao inona ireo fitaovam-piadiana mahery vaika sy fitaovana raitra : fiara tsy mataho-dàlana sady afaka misitrika anaty rano, angidim-by, drone, puces, sns?… Mandry an-driran’antsy ny vahoaka Malagasy, tsy an-tsaha, tsy an-tanàn-dehibe kanefa dia tsy mitsahatra ny mirehaka ny filohan’ny Repoblika dia tena mitodika aty Madagasikara tokoa ny mason’izao tontolo izao kanefa miboridana tanteraka ny Firenena manoloana ny zava-mitranga. Milaza ny mpitondra fa misy “mafia” ao ambadiky ny dahalo kanefa izany “mafia” izany dia tsy maintsy manana “parrain” ka io izany ilay antsoina ho “foza vaventy” izay tsy mety voasambotra mihitsy hatramin’izao ka ny “foza kely” ihany no mizaka ny tsy eran’ny aina. Araka ny filazan’ny depiote any an-toerana dia tovolahy ao an-tanàna ihany no manampy ny dahalo, efa fantatra izany izy ireo ka tsy ho gaga indray ny gasy raha hisy voasambotra indray kanefa ny omby aman-jatony efa lasa niondrana ary ny “parrain” kosa dia hisitraka ny vidin’izany.