Mahazo, Ankadindramamy, Faravohitra – Nikoropaka ny Emmo-Reg, vao nivoaka niantsena indray Ravalo

Ny Valosoa

Mbola i Dada ihany no Dadany eto amin’ny tanàna, satria vao nivoaka niantsena teny Mahazo sy Ankadindramamy indray omaly ny Filoha Marc Ravalomanana dia nikoropaka nankeny Faravohitra indray ireo Emmo-Reg nihaodihaody sy nijanona nanodidina ny trano fonenany teny Faravohitra.

Tamin’ny herinandro lasa teo no nanomboka nidina nitafatafa tamin’ny vahoaka teny ifotony ny Filoha Ravalomanana, nijery sy nihaino ireo vahoaka izay tra-pahasahiranana vokatry ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, adidiny amin’ny maha filohan’ny mpanohitra azy izany. Vao vita ihany koa ny fialantsasatry ny Pentekôsta dia tsy niandry ela, fa omaly alarobia dia efa niroso nanohy nidina an-tanàna ny Filoha Ravalomanana, ka ny teny amin’ny Boriborintany fahadimy no notsidihany teny Mahazo sy Ankadindramamy.

Toy ny mahazatra azy dia tsy misalasala ny Filoha fa miroboka avy hatrany mihaona mivantana amin’ny vahoaka, velombolo izay lalovan’ny Filoha Ravalomanana , satria zaran’ireo vahoaka aza misy mihaino ny olana mianjady aminy, f’ireo mpitondra efa tsy hita ho antenaina. Ny tena mampihomehy araka ny fitenin-jatovo ankehitriny dia ny fikoropahan’ny mpitondra vao maheno hoe nahazo vahoaka marobe indray i Dada, kanefa tsy nisy ny fampiomanana ny olona tany amin’izay alehany, fa vao mandre fotsiny hoe tonga ao hono i Dada e! dia raikitra ho azy ny sioka tokana, ary dia samy dodona hihaona aminy ny rehetra. Miolomay tanteraka ny mpitondra satria poa toy izay araka ny fitenenana dia niverina indray teny Faravohitra ireo mpitandro filaminana ao amin’ny Emmo-Reg. Zon’ny olompirenena ny mifamezivezy eto amin’ny fireneny, ny Filoha Ravalomanana rahateo dia olompirenena tsy very zo, sady tsara toerana amin’ny fihainoana ny hetahetambahoaka.

Ny azo ambara aloha dia mbola manana ny lanjany ny Filoha Marc Ravalomanana, ary vao mainka aza mitombo ny fankafizan’ny olona azy, ny tsy mampino aza, maro ireo nankahala ny Filoha Ravalomanana no niova fo, satria tofoka tamin’ny hagaigen’ny mpitondra, izay nampanantena izao rehetra izao, ka nahatsiaro ho voafitaka.

Amin’ny alahady ho avy izao dia hikabary indray ny mpitondra hilaza ny fepetra hampiharina mandritran’ny 15 andro, ho sahirantsaina izay hiteny eo na Ingahy Filoha na Ingahy Praminisitra, satria raha ho vahana ny fihibohana dia vao mainka halalaka ny fidinan’i Dada, ary raha ho henjanina, hahita raharaha amin’ny vahoaka eo, fa ny azo amehezana azy dia mbola manana ny toerany ny Filoha Ravalomanana, ka tsy diso velively isika raha miteny hoe mbola i Dada ihany no dadany hatraiza hatraiza.