Fampianarana ambony – Tsy voadiniky ny fitondrana lalina ny momba azy

Radafy

Tandindonin-doza ny hoavin’ity firenena ity any aoriana ary mampanahy lalina. Tsy misy adihevitra intsony fa efa samy miara-manaiky ny olom-pirenena rehetra, fa ny tanora ary indrindra ireo mandranto fianarana eny amin’ny Anjerimanontolo na Oniversite no hoavin’ity firenena ity. Iaraha-mahita tsara anefa izao, fa mikorontana ny fandrantoan’izy ireo fianarana ambony noho ny fahatapatahan’ny fampianarana vokatry ny krizy ara-pahasalamana misy eto amin’ny firenena. Efa hatramin’ny taon-dasa no niseho io fikorontanana io ary tsy misy fitohizany mazava tsara ny fampianarana. Samy voakasika avokoa ao anatin’izany, na ny amin’ny fanjakana, na ny tsy miankina marobe.

Hatramin’ny taon-dasa mandraka ankehitriny tsy hita izay vahaolana mazava avy amin’ny fitondrana entina hamahana ny olan’ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ity seha-pampianarana ambony ity. Toa hita ho milamindamina tsy mitondra vahaolana ny minisitra sy fitondrana hanarenana ny fahavoazan’ny mpianatra sy ny Oniversite tsy miankina. Tena hadisoana bevava ary tsy fahaizan’andraikitra mihitsy ny fampitoviana amin’ny any ivelany, ka rehefa mikatso ny fampianarana any dia toy izany koa ny aty amintsika. Tsy tokony ho adinoina velively fa firenena mahantra sy tsy mandroso i Madagasikara. Nambara koa anefa fa ireo olona notendrena ho minisitra ireo tena manam-pahaizana avokoa. Ka asehoy ary izany izao fa tena fotoanany mihitsy izao amin’izay fahaizan’ireo izany. Mila mahita vahaolana mahomby hafa noho ny any amin’ny hafa ny eto amin’ny firenena hampizorana ny fampianarana. Tsy mitombona raha milaza fa efa manao ny fampianarana ampitain-davitra ny any amin’ireo sekoly ambony ireo. Afaka hilaza ho ren’ny vahoaka rehetra ve izay milaza izany, fa manana ny fitaovana hoentina amin’izany avokoa sy ampiasainy ny mpianatra any amin’ny ambaratonga ambony? Ataovy milaza amin’ny haino aman-jery rehetra misy izay sahy milaza izany. Fa ny fantatra hatreto aloha, tsy ny rehetra no afaka hanao izany.

Hatreto tsy andrenesana fepetra mazava sy vahaolana mahomby amin’ny olan’ny mpianatra sy ny sekoly ambony, indrindra ny tsy miankina ny minisitera sy ny fitondrana. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ireo tanora lazaina hoavin’ity firenena ity sy any aoriana izany.