Voafonja 12 mianadahy sy Miara-manonja – Mitohy ny tolona na inon-kidona na inon-kihàtra

Isambilo

Tamin’ny fomba mendrika sy nakotroka tetsy Bel’Air Ampandrana, no nandraisana sy niarahabana ireo gadra politika 12 mianadahy nanao akanjo mena Miara-manonja, tafavoaka ny fonja, nogadraina tsy ara-drariny noho ny saika nihainoany tatitry ny depiote Miara-manonja tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely ny sabotsy 20 febroary 2021 lasa teo. Efa tafavoaka teny Antanimora avokoa izy ireo amin’izao fotoana ary nihaona tamin’ny mpiara-mitolona sy ny sasany amin’ireo mpitarika ny talata teo.

Nisolotena ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana tamin’izany, ny filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha Pasitera Edouard Tsarahame, nambarany fa ampy izay ny famonjana tsy ara-drariny ary tsy azo ekena intsony ny toy izany. Nisolotena ny filoha nasionalin’ny antoko TIM kosa, ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro : « marihana fa fahatongavana hiatrika ny tatitry ny depiote sy fanamiana akanjo mena no nidirana am-ponja, ka nanamelohana azy ireo higadra 3 volana. Tsapa ny finiavana sy ny fitiavana ny Tanindrazana nasehonareo, ka mankahery anareo hatrany. Tsy fahamarinana sy tsy mendrika ireny didy navoaka ireny, noho izany, hampakatra ny raharaha hikatsahana fahafahana madiodio hanadiovana ny “casier judiciaire” anareo ny mpisolovava, mba tsy hisy olana amin’ny asa na fitadiavana asa”, hoy izy. Nandeha tsindrom-paingotra ho an’ny mpitondra kosa ny mpitondra tenin’ny Miara-manonja, depiote Me Hanitra Razafimanantsoa: “tsy ho eo mandrakizay ianareo mpitondra, na izany tsy fombantsika ny manozona. Lasa nisolovaika ny ankalana ianareo, misy tsy rariny mihàtra eto amin’ny firenena. Fahalalahana no tadiavina, fanagadrana no setriny. Tsy ho eo mandrakizay ary tsy haharitra eo mandrakizay ireo nanao izany. Tsy te hisaotra ny fitsarana, satria tsy nanana ny fahaleovantenany ny Fitsarana fa didy politika iny. Tsy hifampiantso tody na hifamaly ratsy ny ratsy, fa Andriamanitra mahalala ny zavatra misy”, hoy ity olom-boafidy ity.

Nisolotena ireo gadra politika 12 mianadahy kosa i Parfait Rakotomanana, filoha lefitra nasionalin’ny tanora RMDM, nambarany fa mitohy ny tolona na inon-kidona, na inon-kihàtra. Diplaoma politika ny nampidirana am-ponja, ka ho zezika hampiroborobo hatrany ny tolona atao mandra-pahatongan’ny fandresen’ny didy jadona, sy ny tsy rariny rehetra misy eto amin’ny firenena, hoy izy.