Miara-Manonja – Gadra politika 12 raharaha akanjo mena – QG Bel’Air Ampandrana – Arahaba makotroka sy mendrika

Ny Valosoa

Nivoaka ny fonja ny sabotsy 22 mey atoandro ireo gadra politika 9 mianadahy nigadra 3 volana an-tranomaizina, taorian’ny nahavoasambotra azy ireo tamin’ny hetsiky ny Miara-manonja ny 20 febroary 2021 lasa teo, izay niisa 12 tamin’izay.

Tamin’ny fomba mendrika sy makotroka tetsy amin’ny QG Bel’Air Ampandrana androany faha-25 mey, no niarahabàna ireo 12 mianadahy. Nisy ny fitrotroana am-bavaka. Tonga niarahaba tao ny birao politikan’ny antoko TIM notarihin’ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny solombavambahoaka TIM, ny RMDM, ny ekipan’ny Miara-Manonja, ny vehivavy TIM.

Nandritra izany fotoana nitànana azy ireo tany am-ponja amin’ny tsy rariny izay dia tsy nikely soroka Arphine Rahelisoa, izay nisedra tsy rariny toy izany tamin’ny taona lasa. Niaraka tamin’ireo vehivavy TIM ny tenany, nanentana sy nandrindra ny fanohanana sy fanampiana ireto gadra politika sy ny fianakaviany. Ary mbola nisy koa androany fanomezana vola mitentina 200.000 ariary niampy vary sy menaka ho azy ireo mianadahy tsirairay. Nisaotra ny filoha nasionalin’ny antoko TIM sady filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana, i Arphine Rahelisoa tamin’ny anaran’ny vehivavy TIM, tamin’ny ny fanampiana lehibe nataony. Nisaotra ireo rehetra nanome tolotanana nandritra izay fotoana izay koa ny tenany, ahitàna fikambanana maro na eto an-toerana na any andilambato; singanina amin’izany ny RMDM diaspora, GTT La Réunion, Les Indignes 974, Hetsika Montpellier, Erikerika Madagasikara any Frantsa, Malagasy Citizen Living in North America, Malagasy tsotra monina any Frantsa, Canada, La Réunion, sy eto an-tanindrazana, ary ireo Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM). Naneho fisaorana sy fankasitrahana feno i Parfait Rakotomanana, solontenan’ireo gadra politika, ary nilaza fa “manomboka izao dia mitohy ny tolona ary tsy hihemotra na ho maty na ho velona”.

Nilaza ny mpisolovava, Me Ratefimahefamijoro Eloi, fa hampiakatra amin’ny fitsaràna ambony ary hitondra ny porofo rehetra amin’ny tsy maha meloka azy ireo sady ho fanadiovana ny antontan-taratasy na ny “casier judiciaire”, ka tsy hisy fiantraikany amin’ny asa mety hotadiaviny eny anivon’ny fanjakana.