RY MPITANTANA TSY MARINA !

Lanilany ny eo an-tanana dia hisambo-bola indray?
Misambotra no vahaolana fa tsy misy ankoatr’izay?
Ny “fitantanana mazava” sy ny hoe “mangarahara”
Dia tsy anaty rakibolana ampiasainareo “mapara”?

Ireo mikasa hanadihady dia bantiana sy iavonana,
Ary anaovan-teny eso f’io tsy volan’ny fiangonana?
Izany ve no mba mpitantana tena mendrika ny toerany?
Sao dia tena tsy voafehiny ny fanaovan-tseraserany?

Tena tsisy ny finiavana hanao tatitra mazava,
Nefa vao mahazo vola, dedaka sy avo vava!
Vetivety anefa ireny dia lazaina fa hoe ritra,
Ary ny vahoaka hatrany no indreo mipitrapitra!

Dia hisambo-bola indray sy mbola hitrosa hatrany hatrany,
Ka ny zafim-paladia no mbola hamerina an’izany?
Tsy hangina ny mpanohitra ka ny feony tsy ho farina,
Noho ireo vola tsy mazava, ry mpitantana tsy marina !

TSIMIMALO (23-05-21)