TSY HITA TABILAO INDRAY ?

Naninona àry ity boaikely no tsy nihazo an’i Parisy?
Be no kivy ireo akama ka nisento hoe “indrisy”!
Tsy manambana intsony f’efa mitatao ny loza.
Toa hifarana tsy ho ela ity ilay hoe “tantaram-poza”!

Naninona àry ity boaikely no tsy nisy mba nanasa?
Nefa raha voaantso teo, ‘zay fidedahany no asa!
Misy “raha” tsy dia milamina, misy tsy mangarahara,
Ka dia kivy ireo mpamatsy raha vao Madagasikara?

Naninona àry ity boaikely no nidiran’ny matsatso?
Raha mitohy ny toy izao dia be ny zavatra hikatso.
Votsotra ny nantenaina, ny eo an-tanana efa fongana.
Ratsiratsy ny ao an-tsaina, sao fambara f’efa hiongana?

Naninona àry ity boaikely, tena maloka ny hoavy.
Tandindonin-dozabe ireto foza mianakavy.
Tena hatramin’ny Lafrantsa no efa manome lamosina,
Ka hoy ny tenin’ny mpiloka: sady maty ity no mihosina!

DADAN’i RIANA (22-05-21)