AZA MBA HO ISAN’IZAY DONTO INTSONY !

Mamorona tetika indray ve ry “favo”
Ka mody naidina ny isan’ny lavo?
Tsy vitsy ireo olona no efa niteny
Fa antontan’isa namboarina ireny!

Ny tanjona mantsy dia ny hampitoniana
Ny saina efa romotry ny tsy fisiana,
Satria efa maro no nampiaka-peo
Hoe hikomy fa tofoka sy tena leo!

Efa leo ireo ekipan’ny volomboasary,
Sy ity fitondrana efa lo sy fanary.
Tsy mbola mahita izay mba vahaolana
Na dia misosa ny taona sy volana!

Raha ny malaza dia hiova ny sary,
Ka dia asa indray izay ho ventin-kabary.
Toa hoe hovahana fa efa mampiady,
‘Ty mihiboka ny andro asabotsy, alahady.

Manampy an’izany koa, efa tsikaritra
Fa miaka-pofona ny any amin`ny faritra.
Ka dia miandrandra sy mba manantena,
Halalaka indray ny fivezivezena!

… Kanefa dia vina sy tombana izany,
Fa ho an’ireo donto dia “’zay tiako ihany”!
Koa aza mba ho isan’izay donto intsony,
Raha mbola maniry ny hitoetra eny ambony!

IRINA HO TAFITA (12-05-21)