AIZA ISE RY GASIKARA ?

Iza indray no handimby toerana an’ise ry Gasikara?
Mbola hisy ny hotendreny sa hiato ity tantara?
Raha ny zava-misy mantsy, tena nidina ny tombany,
Fa tsy nety ny angaredony sy ireo tsikombakombany.

Iza indray no handimby toerana an’ise ry Gasikara?
Sa tsy hosoloina ise fa hiavo-tena ny mapara?
Dia meteza hitandrina àry sao hivadika ny tantana,
Ka ho lasa ady antsanga, fifandirana mivantana!

Iza indray no handimby toerana an’ise ry Gasikara?
Sa mpanohitra “voavidy” no hotendrena handray anjara?
Mila akariny ny “tombany”, f’efa rano raraka iny,
Indrindra moa ity ranamana tsy sahy nitsena vakisiny!

Iza indray no handimby toerana an’ise ry Gasikara?
Sa ireo zatra milomano, manan-tsaina maramara?
Mila miarina izy mantsy, indrindra ilay akohovaviny,
F’efa tena ratsy toerana izy sy ny mpianakaviny.

Iza indray no handimby toerana an’ise ry Gasikara?
Sa hofoanany tanteraka ilay “paika” fa tsy tsara?
…Mila mba mandini-tena sy misaina lalina izy.
Mila ajanona amin’izay ny fomba sy fanahin’ankizy!

TSIMIMALO (13-05-21)