Eric Rabesandratana – Mpilalaon’ny Barea maromaro no efa niresaka taminy

Lita

Araka ny nambaran’ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra, ny Barea an’i Madagasikara, Eric Rabesandratana, efa maromaro ireo mpilalaon’ny Barea no tafaresaka taminy ho amin’ny fiatrehantsika ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022 hatao any Qatar. Fantatra tamin’izany, fa tokony amin’ny volana jona ho avy izao io no hisy ny fampivondronana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy: ireo mpilalao avy any ivelany sy ny avy eto an-toerana.

Naneho ny heviny mahasika ny hitantanany ny Barea ity mpanazatra ity: “Tsy izaho no nisora-tena toy ny voatavo, fa nantsoina aho, raisiko ho adidy sy amim-pitiavana tanteraka izany. Amin’ny voalohany dia ny fametrahana ny fototra amin’ny baolina kitra no tokony himasoana. Tokony harindra tsara ihany koa ny ekipa, ka hamafisina ny eo amin’ny vodilaharana sy hatsaraina ny eo amin’ny fanafihana, izany hoe tokony hifandanja tsara ny ekipa,” hoy ny fanazavany. “Efa nifandray tamin’ny mpilalao sasantsasany aho. Ny tanjona dia ny hahazoan’ny ekipa vokatra tsara. Tokony hampitovy ny fomba fijery sy mieritreritra ny soa iombonana, ny Firenena no apetraka lohalaharana. Sady Frantsay no Malagasy aho, afaka ny hampivelatra kokoa ny maha Malagasy aho amin’izao andraikitra vaovao izao “, hoy ihany i Eric Rabe, na Eric Rabesandratana.