EDITO 6 Mey – Fanaovan-dalàna – Miasa ao anaty tsy famatomombanana ny Parlemanta Malagasy

Sôh’son

Na mbola hisy 57 andro aza ny hivorian’ireo solombavambahoaka, dia efa nisy tsy fahatomombanana izany. Raha eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ho an’ny mpampianatra amin’ny ambaratonga ambonimbony, amin’ny fanazavan-kevitra soratana, ohatra, raha vao tsy mety na ratsy ny teny fampidirana dia efa tsy ao izay ny lentam-pahaizan’ilay mpianatra, ary ho ratsy ny naoty azony. Dia toy izany no azo andraisana ny fivorian’ny solombavambahoaka izao.

Nambaran’ireo solombavambahoaka mahatsiaro mandrakariva ho manana adidy masina sy lehibe amin’ny vahoaka nifidy azy, sy ny fireneny ihany koa ny vaky bantsilana ny amin’ny lesoka lehibe amin’ny fisavihana lenta teknolojika tsy voafehy, sy tsy tsara toerana loatra ho azy ireo. Misy ny fahasahiranan’ireo tokony hivory miatrika izao fivoriana ara-potoana izao eo amin’ny fikirakirana ny fitaovana nambara ifandraisan’izy ireo. Handeha amin’ny laoniny hatramin’ny farany ve izao fivoriana izao? Sarotra ny hino izany raha ny fahitana sy fahenoina ny zava-misy tamin’ny andro voalohany sy omaly fotsiny aloha. Handany volam-bahoaka fotsiny izany ity antenimiera ity ao anatin’izao fivoriany izao? Niaraha-nandre rahateo ny volabe laniana ho an’ny tsirairay hahafahan’izy ireo mifandray sy miresaka, toy ny saram-pifandraisana fotsiny, izay tonga hatrany amin’ny roa hetsy ariary. Mbola eo anefa ny tambin-karama be raisin’izy ireo, sy ny tombontsoa marobe isan-karazany. Mazava loatra, fa tena andrim-panjakana iray andaniam-bola be eto amin’ny firenena io. Ary fantatra fa tsy maintsy omena ny volan’izy ireo satria miara-dia amin’ny fitondrana ny maro an’isa ao, ary efa niseho izany. Misy anefa eto amin’ny firenena miady mafy hiaro ny vahoaka amin’ny valanaretina, ireo mpitsabo mpanampy na “paramed”, nitaky ny vola izay zony tokony horaisina hatramin’ny taon-dasa, fa tsy namakiana loha akory. Misy ireo mpiasa hafa amin’ny orinasa mifandray amin’ny fanjakana efa am-bolana maro tsy nandray ny karamany, ary manao fitakiana hatrany, fa tsy mahazo rariny hatreto. Miendrika fivilian-dalan’izao fitondrana izao mankany amin’ny lalana tsy irim-bahoaka izany.

Fiarovan-tenan’ny fitondrana Rajoelina sy ny mpiaro azy, toy ny mpitandro filaminana, ny filazàny ho misy demôkrasia eto amin’ity firenena ity, satria misy ny Antenimierampirenena, izay lazainy ho efa misolo tena sy vava ny vahoaka. Tsy mitombina mihitsy anefa izany ary tsy azo inoana ho marina velively raha izao fomba fiasa amin’ny fiseraserana ampitain-davitra ataon’izy ireo izao. Sarotra ny hino ny hisian’ny fanehoan-kevitra malalaka sy mazava ary hanome fahafaham-po ny mpivory, ary efa misy fanahiana ny amin’izany sahady ny avy amin’ny antoko mpanohitra, raha ny filazan’izy ireo. Tsy hizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany ary amin’ny ilàn’ny vahoaka sy andrandrainy azy araka izany izao fivoriana izao. Endrika iray indray izao maneho ny fomba fiasan’izao fitondrana ankehitriny izao, maneho ny tsy fahaizany mitantam-pirenena mihitsy.