EDITO 4 Mey – Asa fanaovan-gazety – Mbola tery ny lalana ho amin’ny fahalalahana

Sôh’son

Fotoana iray nialan’ny lamba iray natao nanafinafenana ny endrika marina amin’izao fitondrana izao ny resaka nifanatrehan’ny filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’ireo minisitra vitsivitsy sy ireo mpanao gazety vitsivitsy, nosinganina ny alahady alina teo tamin’ny haino aman-jerim-panjakana. Tao anatin’izany no nahitana indray ny refy sy ny lanjan’ny fitondrana ahafahany mitantana ny firenena. Avy amin’ny fomba fiteny sy fihetsik’izy ireo tamin’ny famaliana ny fanontaniana nipetraka no nahatarafina izany tsara.

Anisan’ny nahavariana sy nampikentrona ny olom-pirenena maro ny fahitana ny tsy firafetana mazava tsara, sy tsy fanajàna ny rafitra an-tanan-tohatra eo amin’ny fahefana mpanatanteraka. Inona intsony moa no ilazana izao fitondrana izao raha izany no zava-misy? Fanjakan’i Baroa môderin’ny taonjato faha-21? Mbola mitoetra mandraka ankehitriny mantsy ny “mpisehatra fototra” tamin’ny andro fahagola nisehon’izany, dia ny fisian’ny tandapa niseho ho tompom-pahefana voalohany teo amin’ny tany sy fanjakana, ary nanjakazaka sy nangoron-karena teo anivon’ny fiarahamonina…

Ity fitondrana Rajoelina ity, dia mpizahozaho sy miseho ho fara tampom-pahaizana noho ny hafa amin’ny fitantanam-pirenena hatramin’ny vao nipetrahany teo amin’ny seza. Maro no voafitaka tamin’izany, indrindra mazava loatra ireo ampahana vahoaka mpanindrahindra sy mpisolelaka azy, noho ny zavajavatra kely natoraka azy tamin’ny fampielezan-kevitra. Ireo ilay efa voafitaka ihany koa tamin’ny fotoana nanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.

Moa tsy efa ho tokony ho tonga saina ve amin’izao fotoana izao? Fa firy amin’ny fampanantenana nataony no tanteraka? Ny delestazy nanakianana mafy ny filoha teo aloha, ka nidedahana fa ho voavahany ao anaty fotoana fohy aza rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy sy ny mpiara-dia aminy, mandraka ankehitriny mbola mitohy isan’andro izao, ary manakorontana ny fiainam-bahoaka. Ary ny azy ireo ankehitriny aza tena namoa-doza, satria namoizana ain’olona mihitsy tany amin’ny toeram-pitsaboana…

Niezaka nanadio ny lambany tamin’iny alahady alina iny, sy indrindra omaly alatsinainy 03 Mey, izay andro iraisam-pirenena amin’ny fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety. Niseho ny minisitry ny serasera ho tena izy no voalohany amin’ny tomponandraikitra mandala marina fahalalahana amin’ny asa fanaovan-gazety eto amin’ity firenena ity tao anaty fanazavany na lahateniny. Fa tena marina ve izany? Maro ny mpanao gazety eto no mahita tsara ny fanavakavahana mpanao gazety amina zavatra tanterahin’ny fitondrana, misy ny voailika tsy antsoina hanatrika izany.

Mbola mitoetra, ny tsy fahazoana vaovao marina raha manadihady any anivon’ny minisitera sy andrim-panjakana samihafa any, indrindra raha mpanao gazety tsy anaty ekipa mpisolelaka fitondrana. Tery ny làlana, izany hoe tery ny fahalalahana amin’ny fanaovana ny asa. Misy ny mpanao gazety atao anjorom-bala amin’ny sehatra maro samihafa, satria tsy ekipa, sns… Ary ny tsikaritra tamin’ireo nanjo ny mpanao gazety nogadrain’izao fitondrana izao, dia niniana nikimpiana ny maha mpanao gazety, fa ny lalàna hafa ahafahana manenjika sy miampanga no ezahina karohina sy dradraina ary ampiharina. Mbola mampanahy aza ny teny nambara tamin’iny andro iny momba ny filazana ireo mpanao gazety manakiana ny fomba fitantanam-pirenena…

Mbola sarotra ny làlana eto amin’ny firenena amin’ny asa fanaovan-gazety. Ny “lamba noezahina nodiovina”, tsy ho afa-doto raha mbola tsy miova tanteraka ny fomba fisainana sy ny fomba fiasan’izao fitondrana izao amin’ny fitantanana ny firenena; ary ny fiainam-bahoaka tsy hisy fihatsaràny.