RY DIMY DISO PAIKA

Ry dimy izay miseho ho mazana,
Aza modimody gisa.
Hita ny tsy fahombiazana,
K’ataovy ho anatry ny sisa!

Tsy araky ny vavabe
Sy famoretana matetika,
Fa folaka ny lakile
Satria ‘nareo miseho be tetika !

Toa mirefarefa ambany
Ilay fanaovam-politika,
Koa miafena any ho any
Fa tsy nety indray ny fika!

Leon’ny fijaliana lava
Raha ny ankamaroan’ny olona,
Ka tsy fanampenam-bava
No hampihemotra ny tolona!

F’ianareo no mila miala.
Maika izay, tena maika.
K`aza modimody adala
Re ry dimy diso paika!

IRINA HO TAFITA