Antenimiera eoraopeanina – Fahazoandalana mivezivezy ao anaty ny faritra

Nolaniana teo anivon’ny parlemanta eoraopeanina ny alarobia 28 aprily teo fa ho tontosaina ny fametrahana ny fahazoandalana ara-pahasalamana na ‘certificat européen Covid-19’ izay tsy maintsy hananan’ny olompirenena hahafahana mivezivezy malalaka ao anaty ny vondrona. Nivoaka ny alakamisy 29 ny vokatr’izany ka lany tamin’ny isa 540 ny tolokevitra, 119 no nitsipaka ary 31 no tsy naneho hevitra. Mbola hisy ny fanitsiana naroson’ireo firenena samihafa ka any amin’ny faran’ny volana jiona, mialoha ny fotoam-pialantsasatra, no heverina fa hanankery izany.

Izany fahazoandalana izany dia manamarina ny tompony fa vita vakisiny, na vita fitiliana PCR, na voaaro amin’ny aretina Covid-19. Takian’ireo solombavambahoaka eoraopeanina ireo koa ny fisian’ny fankatoavana ireo vakisiny avy amin’ny ‘Agence européenne des médicaments’ na voamarin’ny OMS raha takian’ny fahamehana. Miisa efatra ankehitriny ireo vakisiny azo ampiasaina ao anaty ny vondrona eoraopeanina: Pfizer-BioNTech, Moderna, AstraZeneca ary Johnson&Johnson.

Lanzelo

https://www.europarl.europa.eu/news/fr/press-room/20210422IPR02606/le-certificat-covid-19-doit-faciliter-la-libre-circulation-sans-discrimination

https://www.lci.fr/international/covid-19-le-pass-sanitaire-europeen-valide-par-les-eurodeputes-2184753.html