Valanaretina covid-19 – Kianin’i Rivo Rakotovao mafy ny ministra Rakotovao

Isambilo

Kianin’ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Rivo Rakotovao mafy amin’izao fotoana, ny ministry ny fahasalamana Rakotovao izay mitovy anarana aminy, dia ny Prof Rakotovao Hanitrala Jean Louis.

Araka ny fanambaran’i Rivo Rakotovao: “Professeur Rakotovao Ministre ny Fahasalamana, miala tsiny fa tena tsy rariny intsony ny fomba fanehoanao hevitra. Tsy nisedra havana maty sy marary tokoa angamba ianao, ka manimbazimba ireo olona ao anatin’ny alahelo sy fahoriana fa namoy ny havany. Nolazainao fa “MAIVANA TSY DIA MAMPATAHOTRA LOATRA NY FAHAFATESANA MISY MITRANGA ETO MADAGASCAR”. Fa ahoana? Mitandrema ihany fa aleo halan’Andriana toa izay hankahalain’ny vahoaka. Nataoko tsy misorona izao teny izao ho fanajana ny fahatsiarovana ireo havako sy namako, ny mpiray tanindrazana MATY. Samy ho tahian”Andriamanitra isika rehetra, ka omeny fahasitranana sy fahasalamana”.

iteniteny foana tsy mba mamadibadika ny lela aloha rehefa hiteny ireto mpitondra amin’izao fotoana ireto fa miteniteny fahatany fotsiny. Nisy ny nilaza fa tsy henjana noho ny pesta sy ny cholera ny corona, nefa hita hatramin’izao fa tsy voafehin’ity fitondrana Rajoelina ity ny covid-19.