Mahalalà menatra – Tokony hiala na hoesorina ireo ministra miisa 5

Andry Tsiavalona

Iraika ambienim-polo : 61 taona ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantenan’i Madagasikara dia tsy mbola nisy zava-doza niseho tahaka izao teto. Tsy mbola nisy fitondrana nanao antsirambina ny fiainam-bahoaka tahaka izao ihany koa. Rehefa dinihana lalina dia toa manam-pahaizana na atidoha avokoa ny mpikambana rehetra eo anivon’ny andrimpanjakana isan’ambaratonga. Tsy vitan’izany fa toa mpivavaka sy kristiana ny ankamaroany kanefa dia tsy misy mandala sy mijoro hampanjaka ny fahamarinana. Tsy misy mikatsaka ny hahasoa ny mpiray Tanindrazana, fa samy mitady ny tetika rehetra hanamparam-pahefana sy hangoronan-karena ny ankamaroan’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry. Entin’izy ireo manatanteraka izany dia veriverena amin’ny toe-javatra mirentirenty sy manaitra ny maso izay tsy mitera-bokatsoa sy fampandrosoana, satria fotodrafitrasa tsy hiteraka vokatra na hanodinana akora fototra hahazoana tombony sy hampiroboroboana ny toekarena.

Marina ara-bakiteny ny filazan’ny filohan’ny Repoblika fa aty Madagasikara avokoa ny mason’izao tontolo izao. Tsy vao tamin’izao fitondrany « ara-dalàna » izao ihany fa efa nanomboka tamin’ny tetezamita. Nampiavaka ny fitondrana amin’izao fotoana izao dia ny fanambarana tany am-boalohany, fa raha ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika mahazatra ireo no ianteherana dia tsy handroso mihitsy ity Firenena ity na amin’ny 2030, na amin’ny 2050. Vao herintaona mahery kely nitantanana ny Firenena anefa Rajoelina Andry sy ny ekipany izay atidoha (cerveaux) avokoa dia efa niatrika ady tamin’ny fahavalo tsy hita maso. Tsy nahita vahaolana na dia nirehareha aza fa i Madagasikara (mba tsy ilazana hoe « izy ») no hanavotra izao tontolo izao amin’ny valanaretina covid-19. Niaraha-niaina ny fahafaham-baraka satria sady tsy nisy nanao kaomandy no tsy nisy niverina nividy ny CVO ary raha tsy teo ireo mpiara-miombon’antoka nanome fanampiana ara-bola valonjato : 800 tapitrisa dolara amerikana nentina niatrika ny valanaretina dia efa amana hetsiny maro ny Malagasy no maty.

Aty Madagasikara tokoa ny mason’izao tontolo izao satria tsy nisy nangarahara ny nitantanana izany vola be izany. Nanampy trotraka ny tsy fahamarinana tamin’ny fizarana ireo fanampiana : vatsy tsinjo, tosika fameno, sns,… satria niteraka fimenomenonana sy fifanenjehana teo amin’ny mpiara-monina satria ny nahazo teo aloha ihany no mbola nahazo taty aoriana ary nisy ny faritra izay tsy nisitraka izany mihitsy. Porofon’ny tsikombakomba sy ny fanodinkodinana amin’ny fomba mamohehitra teo amin’ny fomba nizarana izany. Voaporofo ihany koa fa tsy hoe tsy fahaiza-mitantana fa tena fampisehoana hakingan-tsaina amin’ny fanodinkodinam-bolam-bahoaka sy fanaparam-pahefana. Nanala baraka ny fitondrana ihany koa ny resaka « bonbons sucettes » sy « écrans plats » kanefa dia izay malemy azo nasaoty dia nisaoty, fa ny matanjaka kosa dia mbola marin-toerana ihany hatramin’izao.

Tsy nijanona hatreo ny fitodian’ny mason’izao tontolo izao sy fahafaham-baraka mihàtra amin’ity Firenena mahantra ity, satria efa ela ny firenena maro any ivelany no niandrandra ny vaksiny entina miady amin’ny valanaretina, mbola nirehaka ny fitondran-dRajoelina Andry tamin’ny alàlan’ny minisitry ny fahasalamana, fa tsy hisy andiany faharoa izany eto Madagasikara ary manana ny CVO+ sy ny « gélules » ny gasy, ka tsy mila vaksiny. Tsy vitan’ny vava anefa ny ady amin’ny valanaretina izay niova endrika (variant) ary tetsy ankilany koa dia nanery ny fikambanana maro samy hafa, hatramin’ny vondrona iraisam-pirenena, aza ka mody namory « Académie des médecines ». Nasaina namory ireo masoivoho sy ireo vondrona iraisam-pirenena koa ny « Fondation Akbaraly » izay toa fanjakana ao anaty fanjakana, ka taorian’ireo dia niverina tamin’ny heviny indray ny fitondrana. Azo antoka fa nisy tetika ambadika tany am-boalohany ka rehefa hitan’ny fitondrana, fa tsy ho tafavoaka izy dia tsy maintsy manao diam-poza.

Tsy nionona tamin’izany ny fitondrana fa mbola naniraka ireo minisitra dimy namoaka fanapahan-kevitra (décision) momba ny fanafoanana ireo fandaharana ara-politika ao amin’ny fampielezam-peo tsy miankina miisa sivy. Nolazaina fa miteraka savorovoro sy miendrika fihantsiana sy fampiadiana ny samy Malagasy ireo fandaharana ireo. Faharanitan-tsaina amin’ny fanaparam-pahefana ihany izany saingy nitodika taty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao, ka tsy nahomby ny teti-dratsy ary tena sarotra tokoa iny làlan’iny ka dia tsy maintsy nanao làlam-poza indray ny mpitondra.

Na izany na tsy izany dia porofon’ny tsy fahaiza-mitantana ireo fahadisoana rehetra ireo, ka tsy mendrika mpitondra toy izany ny vahoaka Malagasy satria any aminy avokoa ny voka-dratsin’izany. Noho izany dia tokony hesorina ireo ministra 5 ireo, raha tsy izany dia ny mpitondra hatrany an-tampony mihitsy no tokony hiala, na hoesorina.