Navony Pierre Le Noble – Miantso fahafatesana ho an’ny mararin’ny coronavirus ny fangadiana fasam-bao

Franck Razakambelo

Tsy azo eken’ny eritreritra amin’ny maha Malagasy ny fanamboarana fasam-bao ataon’ny fitondram-panjakana, kanefa mbola marary sy mitsabo tena eny anivon’ny Hopitaly ny olona, hoy Andriamatoa Pierre Le noble Navony, filohan’ny Hcdded (Haut Conseil pour la défense de la Démocratie et de l’Etat de droit).

Nanohy fanazavana ity tompon’andraiktra ity, fa loza ny fangadiana mialoha ny toeram-pandevenana satria misintona ny olona mbola marary ho faty araka ny foto-pisainana Malagasy, noho izany tokony ho tondroin’ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny olona manam-pahoriana ny toerana handevenana ny razana rehefa tonga ny fahafatesana, fa tsy manatanteraka fangadiana fasam-bao mialoha izany.

Nilaza Andriamatoa Pierre Le noble, fa mba hisorohana ny trangan-javatra tahaka an’itony dia tokony hisy dinika sy fifanakalozan-kevitra ataon’ny tompon’andraikitra miaraka amin’ireo olobe na olon-kendry manoloana ny fametrahana toeram-pandevenana, fa lasa manaonao foana ny mpitantana ankehitriny amin’ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo.

Ankoatra izany dia nilaza ny filohan’ny Hcdded, fa tsy mety ny fanokafana ny habakabak’i Madagasikara ary tokony hatsahatry ny fitondram-panjakana tanteraka ny sidina rehetra avy any ivelany, mba hisorohana ny fidiran’ny aretina mahery vaika « Covid Variant », izay tena mandripaka ain’olona vetivety. Ny zava-misy anefa hoy Andriamatoa Navony Pierre Le noble dia mbola nahitana sidina avy any La Frantsa mbola mivezivezy ny alatsinainy lasa teo ary mbola sahy miteny ny tompon’andraikitra, fa fifanarahana efa vita talohan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena iny fidiran’ny sidina avy any La Frantsa iny.

Nilaza ity filohan’ny Hcdded ity, fa tsy mitombina izany hevitra izany, satria fifanarahana efa vita mialoha ihany koa ny an’ireo mpizahantany rehetra saika hiditra teto Madagsikara tamin’ny Martsa 2020 lasa teo, kanefa dia nofoanan’ny fitondram-panjakana avokoa, fa maninona tsy nosakanana ny sidina tamin’ny alatsinainy lasa teo. Tokony ho matotra amin’ny fanapahan-kevitra raisina ny fitondram-panjakana, mba tsy ho lany ripaky ny aretina eto isika mianakavy, hoy Andriamatoa Pierre Le noble ary rariny raha toa ka tsy sokafana ihany koa ny fitaterana an-tanety zotra nasionaly eto Madagasikara, satria hanaparitaka aretina eny an-dalana ny mpandeha.