Gadra politika 9 mianadahy sy Berija – Hanampy azy ireo indray ny vehivavy TIM ny 5 mey izao

Helisoa

Mbola misy 1 volana eo ho eo ireo gadra politika 9 mianadahy no mbola mijanona any amponja . Manoloana izany dia tsy mitandro hasasarana ireo vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), fa mbola hanohy hatrany ny tolo-tanana hanampiana ireo voafonja, izay efa nataony nanomboka tamin’ny nidiran’izy ireo teny Antanimora tsy ara-drariny ny 20 febroary lasa teo. Koa manentana ireo tsara sitrapo ireto renim-pianakaviana ireto, fa mbola mitohy hatrany araka ny fanambaràny ny ezaka ataony ho fanampiana ireo voafonja miisa 9 mianadahy miampy an’i Berija, izay mbola voatazona any amponja hatramin’izao ihany koa, miandry ny appel, na ny fampakarana fitsarana ambony izay nataony.

Ny alarobia 5 mey ho avy izao no hatolotra indray, ny fianakavian’ireo voafonja ny vola rehetra izay voahangona amin’izany; ary atao ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka hatrany ny fandraisana ireo fanomezana. Ny Vehivavy TIM dia mankasitraka ireo fikambanana maro sy olontsotra rehetra avy any ivelany sy eto an-toerana izay nanolo-tanana ny Vehivavy Tiako i Madagasikara, ka nahafahana nanampy ireto gadra politika ireto. Raha misy fanampim-panazavana dia afaka miantso ny finday laharana 0347907600.