EDITO 29 Aprily – Sahirana mandray ny fepetra raisin’ny fitondrana ny vahoaka

Sôh’son

Miezaka miaro tena sy manazava ny sain’ny olom-pirenena tato ho ato ny tomponandraiki-panjakana, momba ny sidina avy any ivelany, indrindra ny sidin’ny fiaramanidina frantsay ny 26 aprily lasa teo. Ny sidina avy any ivelany, varavarana an’habakabaka nahafahan’ny valanaretina covid-19 niditra teto tamin’ny taon-dasa ary mety hidiran’ilay endriny vaovao avy any Eoropa indray. Marobe araka izany ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena manoloana an’io sidina io, sy ny amin’ny filazana hatramin’izay hoe mikatona ny sisintany kanefa mbola misy hatrany sidina avy any ivelany tonga eto na ny miainga eto an-toerana mankany ivelany. Miendrika tanteraka famitahana, fa tsy fampiesonana fotsiny ny vahoaka malagasy izany fihetsika izany.

Impiry hofitahina ity vahoaka malagasy ity ? Ireo manam-pahefana sy mpitondra no afaka manao izany. Amin’ny alalan’ny fampanantenana maro samihafa no endrika iray isehoan’izany. Maro tsy tambo isaina no nambara teto amin’ity firenena ity hatramin’ny taona 2019 niakaran’ny mpitondra izao teo amin’ny fitondrana. Mba firy amin’ireny no tanteraka. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana. Ary ny mahavariana dia misy hatrany ny zava-baovao hambara amin’izay hotanterahiny. Nankaiza izao ny fampanantenana tamin’ny solosaina omena isam-pokontany? Ny fizarana arovava sy orona ho an’ny vahoaka, ny fizarana menaka fanasana tanana ho an’ireo taxibe izay nidedahana tany am-piandohana tamin’ny taon-dasa; ny vidim-bary sy menaka nolazaina fa hihena rehefa tonga eo amin’ny fitondrana; ny delestazy nolazaina fa tsy hisy intsony izay nanakianana mafy ny mpitondra teo aloha, sns… marobe.

Ny manahirana ny sain’ny maro, ny mpitondra sy ny manodidina akaiky azy miezaka mitady fanafana sy fiarovan-tena mafy indrindra any ivelany, fa ny vahoaka miady irery eo amin’ny fiainany eo, miatrika loza mitatao aminy. Tsy misy fanampiana azy ao anatin’izany, ary na nisy aza mitanila sy misy fanilihana ampahana vahoaka. Ny mahavalalanina dia matetika aza ny fepetra noraisin’ny fitondrana mihitsy no manampy trotraka ilay sarambabem-bahoaka amin’ny ady ataony hahavelona azy isan’andro. Ohatra amin’izany ny fanohintohinana ny fihariany sy ny fivelomany efa niainany hatramin’ny taona maro.

Ny fanazavana entin’ny fitondrana tsy raisin’ny saim-bahoaka intsony, satria efa be izay fampanantenana tsy vita izay, ary indrindra efa miha-mitombo hatrany ny hantsana manasaraka ny mpitondra sy ny vahoaka ary mamàka lalina hatrany ny tsy fifampitokisana. Miha- mafy hatrany izany arakaraka ny hadisoam-pihetsiky ny mpitondra, toy izay nitranga andro vitsy lasa izay tamin’ny fepetra noraisin’ireo minisitera dimy nanosihosy ny demôkrasia teto, kanefa dia nihemotra indray avy eo. Inona indray ny fepetra vaovao hafa hipoitra izay hiteraka resabe eto? Tsy maintsy hisy izany raha tsy vonona hanova ny fomba fiasany tanteraka izao fitondrana izao. Rehefa tsy izany dia miala na hesorina no mety aminy!