Marc Ravalomanana – “Aoka ny mpitondra tsy hanafina ny tsy fahaizany amin’ny fanampenambava”

Marc Ravalomanana
Filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara
(RMDM)

Fanambarana

Araka ny décision ministérielle navoakan’ny fitondram-panjakana ny faha-22 aprily 2021, izay mandrara ny fanehoankevitra sy ady hevitra politika eny amin’ny haino aman-jery rehetra, dia manameloka ary toherinay amin’ny hendriny rehetra izany fanitsakitsahana ny zo haneho hevitra malalaka izany, izay voaaron’ny Lalampanorenana.

Heverinay fa fanaovana didy jadona ankitsirano ary fanamotehana ny demokrasia izay vao mitsiry eto amin’ny firenentsika.

Ny ady atao amin’ity valanaretina coronavirus ity, tsy manakana velively ny fanehoan-kevitra politika eo amin’ny olompirenena, eo amin’ny mpanao gazety, eo amin’ny mpanao politika sy ny olontsotra.

Mitaraina daholo ny ankabeazan’ny olona noho ny tsy fifehezana sy ny tsy fahitan’ny mpitondra vahaolana amin’izao valanaretina coronavirus izao. Maro ny Malagasy no matin’ity valanaretina ity. Feno ny hopitaly. Tsy ampy ny fanafody. Ary na misy àry dia lafo, tsy takatry ny ankamaroan’ny olona.

Ny vahaolana hitan’ny mpitondra dia ny fanampenambava ireo olona mbola afaka miteny sy maneho hevitra. Tsy azo ekena izany fomba mamohehitra izany.

Tsara ny mampatsiahy indray fa ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy tokony atao fitaovana hanitsakitsahana sy hanapotehana ny demokrasia sy ny zo fototra, anisan’izany dia ny fahalalahana maneho hevitra.

Aoka ny mpitondra tsy hanafina ny tsy fahaizany, ny tsy fahombiazany, ny fitavozavozàna na ny “attentisme” amin’ny fanampenambava ny olompirenena toy izao.

Amafisina indray fa melohinay ary toherinay amin’ny fomba rehetra izao fanapahankevitra diso sy fanaovana didy jadona eto amin’ny firenena Malagasy izao.

Eto ihany koa dia manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka izahay mba tsy hanaiky ny fametrahana ny didy jadona eto amin’ity Nosy malalantsika ity.

Masina ny Tanindrazana.