EDITO 24 Aprily – Karana mpanefoefo eto: miketrika ny haka ambongadiny an’ity firenena ity

Sôh’son

Mifanome tanana amin’ny mpitondra sy mpanao politika frantsay amin’ny fikendrena hangeja, sy hamatotra bebe kokoa hatrany ny firenena malagasy ny mpanefoefo karana eto amin’ity firenena ity. Nahazo vahana tamin’ny taona 2009 teo amin’ny sehatra politika dia mbola manohy nitady ny sehatra hafa ihany koa amin’izao fotoana izao.

Tany amin’ny taona 2003 -2004, tamin’ny fitondrana Ravalomanana no efa niseho nanjakazaka tamin’ny lafiny toekarena ireto karana sy vahiny mpanefoefo ireto. Nisy ny faminganana nataon’izy ireo ny fitondrana tamin’izany fotoana izany, saingy noho ny fahaizan’ny filoha Ravalomanana sy ny ekipany nahay niàla tamin’izany, dia afa-niroso ihany ny firenena. Mazava loatra, tsy nahatratra ny tanjony mazava ireo olom-bitsy ireo tamin’izay, hany ka nitady olona hampiasaina taorian’izay hanonganany ity olona tsy voafehiny ity. Nisy ny tamin’ny taona 2009 niketrehan’olom-bitsy ny fanonganam-panjakana ary dia tonga tamin’ny nirian’ireto vahiny mpangoron-karena ireto. Ny fanohanan’ireo karana mpanefoefo ireo, ao anatin’izany ireto karana miseho indray hiara-hiasa amin’ny fitondrana ankehitriny amin’ny fanafarana vaksiny ireto, no nahatongavan’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny tanjony ny taona 2009. Mazava loatra, fa nahazo laka amin’ny sehatra politika izy ireo ary niara-dia tamin’ny fitondrana nanongam-panjakana. Ny fitondrana Rajoelina no nanome vahana be dia be ireo karana mpanefoefo mpangoron-karena ireo eto amin’ity firenena ity hanana anjara toerana eo amin’ny sehatra politika ary miezaka mafy izy ireo hitàna izay toerana efa azon’izy ireo izay amin’izao fotoana izao.

Hoan’ny mpanara-baovao sy mahalala ny zava-misy eto amin’ity firenena ity, dia anjakazakan’ny karana, taorian’ny frantsay izay miara-dia aminy, satria izy ireo mizàka ny zom-pirenena frantsay (karana-frantsay ireo, fa tsy malagasy), ny sehatra ara-toekarena. Saika izy ireo avokoa no mitàna ireo sehatra lehibe iankinan’ny ain’ny toekarena eto amin’izao fotoana izao.

Hita araka izany, fa ireto karana mpanefoefo mpangoron-karena eto amin’ny firenena ireto, dia mikatsaka ny hahazo laka eo amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-politika, ary amin’izao fotoana izao ny ara-tsosialy. Inona intsony no maha firenena malagasy an’ity Madagasikara ity raha izany? Fihatsarambelatsihy fotsiny ihany no ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, sy fampiesonana ary famitahana mihitsy ny vahoaka amin’ny resaka hoe: tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny fitiavan-tanindrazana. Iaraha-mahita tsara izao, ny fipoiran’ny “fondation Akbaraly” tampotampoka eo miseho ho mpamonjy amin’ny vaksiny izao. Fa taiza ireo hatramin’izay taona maro izay tamin’ny famonjena ny Malagasy tamin’ny famoahana izao firenena izao tao anaty fahantrana lalina sy ny fahoriam-bahoaka? Ireo Malagasy niasa tamin’ireo karana ireo aza tsy nahazo fiainana niadana ary tsy niha-tsara ny fari-piainany. Mampijaly ny Malagasy madinika miasa ao aminy ireo karana ireo raha tsorina sy mahitsy. Koa nahoana izao vao miseho ho toy ny zavatra ery? Karana tsy natao hamelona ny Malagasy ireo fa hangoron-karena fotsiny eto amin’ity firenena ity. Fantatra rahateo ny tantara tamin’ny zava-nitranga tany Inde nataon’ireo mpanefoefo tany tamin’ireo mahantra tany aminy.

Ny mpitondra Malagasy rahateo eo am-pelatanany, satria tsy mijery ny herim-bahoaka nanome fahefana azy fa efa ziogain’ny herin’ny vola loatra hatramin’ny taona ela.