EDITO 17 Aprily – Fanatanjahantena – Mila haverina indray ny fifaninanana eo amin’ny samy sekoly

Radafy

Anisany nampavitrika ny zaza, ny zatovo, ary ny tanora malagasy tany an-tsekoly taona maro lasa izay ny fanatanjahantena an-tsekoly, nisian’ny fifaninanana teo amin’ny samy sekoly (inter-établissement). Isaky ny alarobia hariva na alakamisy hariva tamin’izany teo Mahamasina dia nisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena teo amin’ny samy sekoly, na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana dia samy nandray anjara, ary be mpijery tokoa ireo lalao natao tamin’izany, be koa ny mpandray anjara. Nitaiza sy nanabe mpianatra tokoa izany ary nitondra soa ho azy. Anisan’ny nisongadina tao anatin’izany fitaizana izany ny fitiliana sy fahitana ireo havanana amin’ny taranjam-panatanjahantena iray. Niavaka izy ireo teny amin’ireo fifaninanana tao amin’ny sekoliny, na teo amin’ireo sekoly samihafa mandray anjara.

Vao mainka koa nampitombo ny finiavana tao anatin’ireo mpisehatra, rehefa nisy ny fifaninanana tamin’ny fanatanjahantena an-tsekoly, toy ny teo amin’ny lafiny hazakazaka na taranja baolina kitra, ka nanainga ny toetsaina hikatsaka ny lenta ambony izay tratran’ny ankizy sy tanora mpilalao. Na somary tsy nivelatra firy aza ny fahazoana vaovao sy fahalalana tamin’ireny taranja samihafa nifaninanana ireny tamin’izany fotoan’andro nisian’izany, dia nisongadina ny talenta tao amin’ireo niavaka. Raha teo amin’ny taranja baolina kitra, ohatra, dia nisy maro ireo mpilalao Malagasy nanana ny naha izy azy tokoa tamin’ny fahaizany. Tsy lavina, tsy tafasandratra ambony tamin’ny fifaninanana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny ekipa Malagasy, na klioba na ekipam-pirenena, kanefa nanamarika ny baolina kitra Malagasy tokoa ireo mpilalao ary mipetraka ho tantara izany.
Ankoatra ny fifaninanana tamin’ny taranjam-panatanjahantena na tao an-tsekoly na isan-tsekoly ka niadiana amboara, dia tsy azo odian-tsy hita ihany koa ny fiantraikany tsara teo amin’ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra nifanerasera. Sady notezaina izy ireo no nifampitaiza ihany koa.

Manampy ireo, misy tombontsoa ho an’ny sekoly ihany koa izany ankoatra ny fahafantarana azy sy ny mety mampahalaza azy. Nisy ireo sekoly nalaza tamin’ireo zatovo sy tanora tao aminy na ny mpilalaony sy ny ekipany tamina taranjam-panatanjahantena tamin’ny fotoan’andro.

Tombontsoa maro araka izany no azo tamin’ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly. Nisy fotoana tena niroboroboany ary nandrisika tokoa na ny sekoly na ny mpianatra. Taona maro anefa izao no niha-lefy na foana mihitsy aza ny tsy nisian’izany sehatra izany intsony. Tsy re intsony ny sekoly nisongadina toy ny fahiny amin’ny resaka fanatanjahantena, ka namoaka zatovo na tanora misandratra amina taranja iray. Misy fiantraikany amin’ny fitaizana ny zaza sy ny tanora Malagasy ankehitriny izany, izay iaraha-mahita eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy tokony hadinoina fa mbola mitoetra mandrakariva ny fitaizana voarakitra ao amin’ny Soratra masina toy ny ao amin’ny Ohabolana 22:6: « Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany». Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny seha-panabeazana ny fanatanjahantena ary any an-tsekoly no voalohany amin’ny mpisehatra amin’izany.