EDITO 15 Aprily – Tsy hita tabilao ilay fitondrana milaza ho mahay noho ny hafa

Söh’son

Mifamahofaho be ihany ny raharaham-pirenena, eo ny zava-misy iaraha-mahita momba ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina covid-19 andiany faharoa ary amin’ny endriny vaovao, izay mivatravatra fiavy. Mirazotra amin’izany ny fikorontanan’ny fihariana sy toekarena, sy ny fisafotofotoan’ny sosialim-bahoaka. Ao anatin’izay rehetra izay, ilay vahoaka zary miady irery mba tsy hilentika tsy hahita masoandro ampitso, fa mba ho velona. Ho aiza ny hiafaràn’ity firenena ity?

Tranga nampanahy mafy ny maro, indrindra hatramin’ny herinandro, ny tsy fahampian’ny ôksizena, sy ireo fanafody mampitombo ny hery fiarovana, sy entina iadiana amin’ny valanaretina. Tsy hita ho ampian—tafika tsy ampian-tafika ny fitondrana amin’ny famenoana haingana ny lesoka, fa zary toa be « filirony » sy resaka tsy mitondra vahaolana mazava sy hentitra ary mahomby no ataony. Hatreto tsy hita ny vahaolana entin’ny fitondrana hisorohana mialoha izay ho tonga, fa zary manaraka ny fivoatran’ny fihanaky ny valanaretina isan’andro fotsiny ihany. Mety ho izay mihitsy ary no nahatonga ny tsy firaikana tamin’ny taon-dasa rehefa hita ho nandalo ny tendro ambony indrindra tamin’ny famelin’ny valanaretina, ka rehefa hita ho niha-nihena izany dia indro koa fa nametraka ny fonon-tanana ary nampirina ny fitaovana. Niaraha-nahita tsara ny fanalàna ireo fitaovana sy fanidiana ireo toerana sasany nosokafana vonjimaika niatrehana ny ady. Tsy noheverina intsony ary tsy nalefa lavitra ny saina ny amin’izay mety hiseho manaraka. Nankaiza ireo mpanolotsaina marobe ny mpitondra ao anatin’izany? Mandany ny volam-bahoaka fotsiny sy migoka tombontsoa any an-dapa any?

Nidehaka nilaza ny fandaharan’asany hanarenana ny toekarem-pirenena ny filohan’ny Repoblika tamin’ny taon-dasa, ilay nasalotra anarana drafitra tsy tokony ampisaina eto amin’ny firenena, dia hatreto tsy marina ny fipetrak’izany. Tsy hita hoe mankaiza ny hampizorana ny toekarena hivoahana ao anatin’izao lala-maizina sy ratsy andalovana izao. Nanaitra mihitsy aza ny namakian’ny solombavambahoaka mpanohitra bantsilana, ny amin’ny fandaniam-bolam-panjakana tao anatin’ny telovolana voalohany tamin’ity taona ity. Nisongadina raha ny nambarany ny an’ny mpitandro filaminana. Fa nahoana? Ny an’ny sehatra hafa izay tena ilàna fandaniana haingana ao anaty fotoana fohy toa any aorianany. Mampieritreritra lalina ny olom-pirenena izany. Tena tokony ho natao tokoa ve izany? Ary iaraha-mahita anefa ny toe-javamisy eo amin’ny sehatry ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena; toy izany koa ny zava-misy eny amin’ireo sehatra hafa ampiasàna ny mpitandro filaminana toy ny eny amin’ny fifamoivoizana, ohatra.

Tsy misy afitsoka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny intsony ihany koa ny fitondrana. Izay vahaolana natao zary nandamoka na maty momoka. Ohatra miharihary amin’izany, ny momba ny vary izay nafaran’ny fanjakana sy natao amin’ny vidiny mora, mba hidinan’ny vidin’ireo karazam-bary hafa, kanefa niàla maina. Tsy misy fiovàny ny vidim-bary midangana. Ireo entana maro samihafa fanjifa hafa isanandro aza mihenahena tsy mety midina ny vidiny. Zary kely endaka ny fitondrana manoloana izany rehetra izany. Ny vahoaka miharitra ny mafy, sy ny ngidin’ny fahasahiranana lalina… Ireo lafiny maro amin’ny fiainam-bahoaka tsy misy vahaolana mazava hatreto.