Kapoaka mangidy!

Lanzelo

Kapoaka mangidy firy no mbola ho ampisotroin’ity fitondrana ity sy ireo ao avara-patana, ny Malagasy an-tapitrisany?

Raha ny halabato nampandaniana an’i Andry Rajoelina izay navohitry ny fanadihadiana nataon’ireo loholona tamin’ny alalan’ny « enquête parlementaire » dia miharihary fa voahitsaka ankitsirano ny safidimbahoaka an-tapitrisany. Ary raha ampiana ireo olona mitambatra ankehitriny ao anaty ny rodoben’ny mpanohitra na ny RMDM izany, dia azo lazaina fa vitsy an’isa lavitra i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy amin’izao fotoana izao. Dia raha mbola ampiana koa ireo tonga saina sy manenina nifidy azy izany dia sisa tavela ireo mpandroba fahefana sy mpisolelaka ary ao avara-patana mahazo ranondranony.

Maro ireo tonga saina sy nanenina, voafitaky ny fampanantenana poakaty sy lainga tsara lahatra. Tsy vitan’izany ihany fa ao ireo very asa, ireo very na rava fananana, ireo gadraina amin’ny tsy antony sy tsy fitovian-kevitra, ampiana fanesoana, fanambanimbaniana sy dingin-drambo. Saingy mbola tsy ampy ihany izany fa ambaraky ny efa nahodinkodina ireo fanampiana an-tapitrisa dolara izay tokony ho sitrahan’ny sarababembahoaka, indrindra amin’izao kizotra sy mangirifiry ateraky ny valanaretina Covid izao dia mitohy ny filalaovana ny aim-bahaoka ka be ny aina afoy ary mbola hitohy izany noho ny fitavozavozana sy saina ratsy. Asiana fanesoana kely ihany eny am-pandehana toy ny hoe nahavita vakisiny tany an-dafy ny solombavambahoaka Siteny na koa hoe misy ny toerana fitsaboana vaovao andoavambola ary hanasàna ireo mpitsabo tsara sitrapo mba hanampy.

Efa nozarina hisotro mangidy tokoa ny Malagasy ka na kapaoka firy aza dia sotroina hatramin’ny fialàn’ny fofonaina. Efa resy sy reraka ny vahoaka ka tsy mahatohitra intsony ity fitondrana ity izay tsy mitsahatra mirehareha sy midedaka, manampatra hery sy fahefana, amin’ny alalan’ny herimpamoretana sy ny fitsaràna. Ireo andrimpanjakana izay natao ho arofanina amin’izany dia nofeheziny eo ambany fahefany daholo.

Izay ve no sitrapon’Andriamanitra sa tena efa resy ka tsy afaka intsony mampitambatra ny hery ireo voahitsaka sy voahosihosy? Mbola mitoetra ve ny hoe “mamy ny aina” eo anatrehan’ireto namana sy havana tsy tamby isaina “ndaozin’ny fahafatesana”? Dia miandry ny kapoaka mangidy manaraka indray aloha ny vahoaka an-tapitrisany mandra-pigoka ny mamy!