EFA TENA TSY TO TENY

Taona iray no efa lasa saingy tsisy fiovana.
Mitavozavoza hatrany ny mpitondra fanjakana.
Tena tsisy fivoarana azo mba tsapaina tanana,
Fa dia mihanaka ny aretina ary tena tsy hay sakanana.

Tena tsisy zava-banona ny fandraisana marary.
Fitsaboana, fanafody, tsisy iray mba lavorary.
Ny mpitsabo toa mikiry sy manao izay fara heriny,
Saingy misy fetra ihany, tsy araky ny noheveriny.

Mikabary ny filoha, mametraka an’ireo fepetra,
Saingy vitsy ireo manaja, tsy ny olona rehetra.
Tokony ho tonga saina ny amin’izany ny mpitarika,
Manoloana ireo rehetra tsy mandray ny toromarika.

Moa ny maro ve variana ny mitady izay harapany
Ka ny fihanaky ny aretina, tena mila tsy ho tsapany?
Raha izany ny mpitondra, tokony hanova tantana,
Ka tsy handefa baiko fotsiny fa hanohana mivantana.

Fa rehefa ny kabary no atao miraradraraka,
Nefa toa tsy misy mihaino sy tsy misy mba manaraka,
Dia midika ho lakolosy te hampita feo ireny,
Fa ny olona mitondra no efa tena tsy to teny!

Vakisiny no andrasana, ary koa ny vatsy tohana.
Raha tsy izany dia ho loza, ho avy indray ny fihibohana!
Saingy indrisy, ny mpitondra, zava-kafa no ao an-tsainy.
Tsy ny ho an’ireo vahoaka fa ny hameno ny tsinainy!

DADAN’i RIANA (11-04-21)