MBOLA MIANA-DRAHARAHA ?

Telo taona nitondrana, mbola miana-draharaha,
Sa dia variana mihoerahoera na koa manonofy antoandro?
Ny olana eto, mivangongo, tsisy iray izay mba voavaha,
Kanefa fohazina indray ny momba ilay “Tanamasoandro”!

Telo taona nitondrana, mbola miana-draharaha.
Ny mahamaika ny vahoaka toa odiana tsy jerena.
Tena mihevitra mihitsy ho eo mandrakizay angaha,
No sahy miteny tsy voahevitra, toy ny tsy ampy fahendrena?

Telo taona nitondrana, mbola miana-draharaha.
Matetika aza raha tsy tairina, indro fa mandeha an-jamba.
Ny firain’izato vava, mahatratra fito saha,
Fa raha ny zava-bita kosa, tena hoe “voantondro” angamba!

Telo taona nitondrana, mampisento ny mpitazana,
Fa toa rendrarendra hatrany no mba andaniany ny orany!
Raha fehezina dia tsotra: tsy mitondra fahombiazana
F’efa tena any amin’ny “tsy izy” izato lalana izorany!

TSIMIMALO (07-04-21)