EDITO 10 Aprily – Ady sy fiarovana amin’ny coronavirus – Mitanila sy miangatra hatrany ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Miditra amin’ny volana faha-efatra amin’ity taona diavina ity isika ankehitriny ary misoka ao anaty volana faharoa, irongatan’ny valanaretina covid-19 andiany faharoa, sy amin’ny endriny vaovao. Niaraha-nahita ihany koa ny fanesoana sy fampangotsohana ny sarambabem-bahoaka, ny Malagasy, nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ambony eo anivon’ny fitondrana, sy indrindra ny governoran’ny faritra Analamanga ny amin’ny nahafahany nitsabo tena tany ivelany, sy ny vola lany tamin’izany, izay toa nidedahana mihitsy. Manampy izay ireo olom-boafidy sasantsasany miara-dia amin’ny fitondrana nanao vaksiny tany ivelany ihany koa, ary isehosehoana mihitsy ny nahavitany izany. Toa midika izany sy toy ny milaza hoe: Eo ianareo vahoaka fa izahay tsy toa anareo amin’ny fiarovan-tena amin’ity valanaretina ity, izahay manam-bola…

Tena mahatsiaro tomponandraikitra marina amin’ny fiahiana ny vahoaka ve ireo olona eo anivon’ny fitondrana ireo? Miendrika fitiavan-tena no be dia be tsapa ao anatin’izany, ary zary manamafy izany ny nitranga tato ho ato. Iray amin’izany, ohatra, ny fampitam-baovao tamin’ny fitsinjovana ireo “mpitandro filaminana” tamin’ny famatsiana azy ireo fitaovana ilaina amin’ny fiatrehana ny valanaretina. Teo indrindra ihany koa ny filazan’ny filohan’ny Repoblika, izay nivadika amin’ny teny nambarany ary tsy atao hahagaga loatra, fa ny mpitandro filaminana, no iray anisany hisitraka voalohany amin’ny vaksiny hatao eto amin’ny firenena. Tany aloha anefa dia nanao vavabe ny tenany, fa ny mpanohitra no hatao izany voalohany.

Fa nahoana no mpitandro filaminana no voatsinjo voalohany hatrany eto, ary tsy tapaka isam-bolana ny fanambatambazana azy ireo? Ireo ve no tena am-bava ady miatrika ny valanaretina? Tsia, fa eo voalohany indrindra ireo mpitsabo ary ny maro amin’ireo dia ireo mpitsabo mpanampy na “paramedy” izay maro an’isa eto amin’ny firenena. Izy ireo anefa dia nitaky efa am-bolana maro izao ny vola anjarany tamin’ny asa nataony tamin’ny taon-dasa, fa tsy nahazo na ariary aza hatramin’izao raha ny nambaran’ny filohany. Natao an-tsirambina ny volan’izy ireo ary narirarira mandraka ankehitriny; ny fitaovana entiny miaro tena tsizarizary ary nianto-tena namoaka vola am-paosy mihitsy aza izy ireo. Izy ireo anefa no tena mitakosina amin’ny marary. Nisy mihitsy aza fotoana nampitahorana na nampihorohoroana azy ireo, toy ny fisavana trano fonenana, ny tsy famelana hanao fivoriana, sns… Ankehitriny dia mody mahita zavatra hafa indray ny fitondrana…

Miharihary eo anatrehan’izany ny fitanilana sy ny fiangarana ataon’ny fitondrana Rajoelina, sy ireo mpiara-miasa akaiky ary ireo miara-dia aminy amin’ny vahoaka malagasy. Misy tsinjovina tsy mitsahatra, satria ireo no miaro ny seza sy ny tombontsoany manokana, fa misy kosa ireo zara fa topaza-maso sy ambinambin-javatra kely na tsy mahazo n’inona n’inona mihitsy. Midika tsotra izao ho tsy fahaizana mitondra firenena izany n’inona n’inona fanazavana. Santionany ihany ary ireo fa, tranga maro no tsy mandeha amin’ny laoniny eto ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana faharoa izao, izay midona mafy kokoa noho ny tamin’ny voalohany. Mazava izao, ary manamafy ny filazana hatrany, fa tsy izay olona rehetra izao te hitondra akory dia miana-kendry mitondra firenena, lasa ilay vahoaka no mifafa ny kihony fotsiny.