Soleil Marmailles La Réunion – Nanampy ara-pitaovana ny CSBII Talatamaty

Isambilo

Nanampy ara-pitaovana ny toeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana CSBII eny Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, faritra Analamanga ny sabotsy teo, ny fikambanana Soleil Marmailles avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, izay tarihan’ny dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama.

Kidoro éponge vaovao ho an’ny toeram-piterahana ao amin’ity CSBII ity, miampy latabatra fanao andoham-pandrianan’ny mpiteraka ary mizana fandanjana zazakely, no natolotry ny fikambanana tamin’izany.

Nanolotra izao fanomezana izao, nisolotena azy ireo ny avy amin’ny Soleil Marmailles eto Madagasikara nahitana an’i Zo Rarivoson, sy ny mpiara-miasa aminy. Nandray izany kosa ny tao amin’ny CSBII Talatamaty, notarihan’ny dokotera lehibe ao amin’ity toeram-pitsaboana ity dia ny dokotera Myriame Mamelomana, izay nanome toky fa hanentana ireo mpitaraka izy ireo hikojakoja izao fanomezana izao.