EDITO 1 Aprily – Barea tsy lasa any Cameroun – Fidiran’ny politika no anisan’ny olana

Ny Valosoa

Iaraha-mahalala ny anaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea ekipa nasionalintsika eo amin’ny baolina kitra, efa nandritra ny efa-taona katroka izao. Nitondra ny lazan’i Madagasikara ny tenany tamin’ny taona 2019, izay nahatratrarana ny ampahefa-dalana tamin’ny fifaninanana ho tompon-dakan’i Afrika na ny Coupe d’Afrique des Nations (CAN). Ravo sy faly daholo ny Malagasy iray manontolo, niray fo ary toa adino vetivety ireo olana ara-politika. Tao anatin’izany fifaliana izany dia nidiran’ny politika ny eo anivon’ny Barea, nataon’ny fitondrana fitaovana entina hanatsaràna endrika sy hidedahana.

Ankehitriny anefa, rehefa fantatra fa resy tamin’ny lalao fifanintsanana ho an’ny CAN 2022, dia nangingina ny fitondrana ary indro miraradraraka ny eson-teny sy ny fanomezantsiny isankarazany. Ao anatin’izany ny vola tsy toko tsy forohina lany kanefa tsy namokatra, indrindra amin’izao fotoana fahasahiranana mangitsokitsoka ara-pahasalamana sy ara-toe-karena noho ny hafitsoky ny valanaretina covid-19 izao. Isan’izany vola izany ny fandanian’ny fanjakana vola mitentina 1.300.000.000 ariary tamin’ny lalao farany teo tany Ethiopia, izay mbola angatahan’ny Miara-manonja mangarahara, noho ny nahitàna solombavambahoaka tonga tany nandritra ny fitoampivoriany. Inona marina no nampiasana ireo vola ireo? Ho sahy hanao ny mangarahara ve ny fitondrana?

Eto dia hiverina amin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis isika mikasika ny vola ihany, fa tsy misy idiran’ny maha-mpanazatra nasionaly azy. Araka ny antontan-taratasy miparitaka sy eto am-pelatanana dia fifanarahana eo amin’ny Caisse Nationale de Prévoyance Sociale de Madagascar na ny Cnaps sy andriamatoa Nicolas Dupuis, izy tenany, natao ny 10 febroary, maharitra roa taona, mametraka ny andraikitry ny tsirairay, ary anoneran’ny Cnaps an’i Nicolas Dupuis vola mitentina 150.000.000 ariary isantaona aloha 50% indroa mandeha, dia ny volana Febroary sy ny volana Jolay. Ireto avy no andraikitr’i Nicolas Dupuis amin’izany:
– ho ambasadaoron’ny Cnaps,
– hampahalala sy hamporisika ireo mpanao fanatanjahantena matihanina hiditra ao amin’ny Cnaps,
– hitady tanora manan-talenta hampiroborobo ny lalao baolina kitra, sy hamporisika an’izy ireo hiditra ao amin’ny Cnaps,
– hanolotra laminasa mikasika ny asa fanatanjahantena ao amin’ny toerana filalaovana an’ny Cnaps ao Vontovorona,
– hitantana toy ny ray aman-dreny ireo fitaovana ho apetraky ny Cnaps aminy,
– hanao tatitra amin’ny Cnaps.

Ireo izany no andraikitra handaniana vola 150 tapitrisa ariary isan-taona mandritra ny roa taona ary azo tohizina. ‘Dia gaga ianao’, hoy ny fiteny ankehitriny, fa hay tsy karama amin’ny maha-mpanazatra nasionaly izany, fa mbola vola ambonin’izay mety ho raisiny any ho any, toy ny maha-mpanatanteraka asa manokana ao amin’ny Ministeran’ny fanatanjahantena. Dia tsy misy ve olompirenena Malagasy afaka manatanteraka ireo andraikitra ireo? Ary raha Malagasy no teo, dia ho tambin-karama tahaka izany ve no nomena azy? Tsy mazava tahaka ity fomban’ity fitondrana ity ihany ny fitantana ao amin’ny Cnaps ao. Sao àry dia noho ny tsy fanekena hiray petsapetsa amin’ity fitondrana ity no nahatonga ny raharaha mahakasika an’i Arizaka Rabekoto Raoul?

Raha jerena indray ireo andraikitra ampisahanina an’i Nicolas Dupuis sy andoavana izany vola be izany dia misy tokoa ireo olompirenena malagasy afaka manatanteraka izany eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny, ary tsy ilàna handaniana vola be tahaka izany, fa mba mila tosika kely avy amin’ny Cnaps. Indrisy fa na dia tsy misy àza izany dia maro ireo entanin’ny fo sy fitiavana, tsy misy takalony, tsy miandry fanampiana, miezaka manabe ny tanora sy mivohy fisainana hazoto hitaiza vatana. Ankasitrahana izy ireo ary irìna ny azahoan’izy ireo ny sehatra mendrika azy rehefa miala ity fitondrana ity.