29 martsa 1947 – 74 taona aty aoriana, tsy mbola vita ny ady ho fanafahana ny Firenena

Andry Tsiavalona

Tsy ny taona 1947 vao nisy ny fanoherana ny fanjanahantany, satria taorian’ny ady lehibe voalohany dia efa nisy tia Tanindrazana izay nihevitra fa nanampy an’i Lafrantsa niady tamin’ny Rainiboto, ka nitsiry tao amin’izy ireo ny hevitra ny mba hanafahana an’i Madagasikara koa. Tsy nahitam-bokatra aloha izany, satria mbola teo ambany vahohon’i Lafrantsa ny Firenena malagasy. Tolom-panafahana an’i Lafrantsa teo amin’ny fangejan’ny Rainiboto ihany koa ny nandraisan’ireo Malagasy nantsoina ho miaramila tamin’ny ady lehibe faharoa. Ny tsy fantatra dia firy marina ny isan’ny namoy ny ainy tamin’izany ady izany raha ny miaramila malagasy no asian-teny.

Roa taona taorian’ny ady dia niady ho an’ny fanafahana an’i Madagasikara tamin’ny fanjanahana indray ny Malagasy tia Tanindrazana. Heverina fa rariny sy hitsiny loatra raha niady ho amin’izany ny Malagasy satria anisan’ny nanafaka an’i Lafrantsa izy tamin’ny ady lehibe faharoa. Heverina koa fa efa mba tao an-tsain’ny mpitondra frantsay ihany ny namerina ny fahaleovantena ho an’ireo tany afrikana nanampy azy. Tsy niandry izany famerenana izany ny Indiana, ka niady ary nahaleotena tokoa ny taona 1947. Niady ho amin’izany koa ny Alzeriana, ka nahatosika ny frantsay. Nizara roa koa ny endriky ny fahaleoavantena notakian’ny Malagasy, ka ny iray nitaky ny fahaleovantena mangarangarana, fa ny ankilany kosa nitaky ny fahaleovantena nijanona tao anatin’ny fiombonana frantsay (communauté française). Nety tamin’ny mpanjanaka izany tsy fitovian-kevitra izany, ka nentin’ny mpanjanaka tamin’ny fifanarahana ara-politika ny famerenana ny fahaleovantena. Porofon’io tsy fitovian-kevitra io ny nisarahan’ireo depiote Malagasy telo mirahalahy rehefa tafaverina teto an-tanindrazana, ka ny roa lahy niditra tao anatin’ny fitondrana PSD ary ny iray lasa tany amin’ny antoko mpanohitra (AKFM).

Araka izany dia mbola nitohy ny ady satria naka endrika vaovao ny fanjanahana, ka azo lazaina fa ady tamin’ny mpanjanaka ihany no nisy tamin’ny 1972. Taorian’izany “tolona” izany dia nisy tsirim-panantenana kely, fa ho afaka tanteraka teo ambany vahohon’ny mpanjanaka tanteraka ny Firenena ary hiray hina ny vahoaka Malagasy hiroso amin’ny fampandrosoana sady ny tany ipetrahany manan-karena rahateo. Rava anefa izany tsirim-panantenana izany satria telo taona taty aorian’ny “tolona” dia hita taratra fa tsy tena fitiavan-tanindrazana no tao am-pon’ny politisiana, na ireo nosokajiana ho teknisiana manao politika, fa fikendrena tombontsoa manokana sy fitiavam-pahefana hahafahana manao izay tian-katao. Porofon’izany ny nitsirin’ny antoko politika nanomboka tamin’ny 1975, ka raha roa izany tamin’ny Repoblika I dia fito izany farafahakeliny nandritra ny Repoblika II ary telonjato izany amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Enimpolo taona aty aorian’ny namerenana ny fahaleovantena dia manontany ny Malagasy hoe ady amin’inona marina no atrehina amin’izao fotoana izao. Ankoatry ny ady amin’ny fahavalo tsy hita maso, covid-19, izay naka endrika vaovao herintaona aty aorian’ny nidirany teto, dia ny adin’ny samy politisiana gasy, mpitondra sy mpanohitra koa no misy. Tsy takona hafenina ihany koa ny ady ifanandrinan’ny mpitondra gasy sy ny mpiasa gasy amin’ny sehatra maro sy ny adin’ny mpitondra gasy sy ny mpianatra gasy izay misy fampiasana fitaovam-piadiana mihitsy indraindray ary eo koa ny adin’ny gasy amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere. Sarotra tokoa ny manavaka, iza marina no lazaina fa tena tia Tanindrazana. Mazava ho azy fa izay mandripaka vahoaka na hita maso na tsy hita maso, izay tsy mikatsaka izay mahasoa ny vahoaka, izay tsy mikendry afa tsy ny tombontsoan’ny tenany, na mivantana na an-kolaka, dia tsy tia firenena sy fahavalom-bahoaka.

Tsy mitsahatra ny miady ny Malagasy, ary mitranga amin’ny fotoanany ny fahavalo, tsy voatery ho avy ato anatiny ihany ary tsy azo tsinontsiniavina ny avy any ivelany. Tomponandraikitra ny Malagasy tsirairay amin’ny fahavalom-pirenena ary anisan’izy ireny, raha minia mikimpy tsy hiady amin’ny fambotriana ny mpiray Firenena sy fanaovana tantely afa-drakotra ny harena misy ao aminy.